• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Min Jus
Image
Vaovao

Fonjan’Antanimora : Hisy ny fanovana hapetraka, ho akatona ny faritra Maputo

27/02/2025 11:11 © Moov

Nanatanteraka fidinana tampoka teny amin’ny Fonjan’Antanimora ny Minisitry ny fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, omaly. Nitsidika sy nijery ny toe-draharaha ao anatin’io toerana io ny anton’izany. Nisy ny fanapahan-kevitra samihafa noraisina mba hanatsarana ny fampiasana io toerana io.

Ho akatona ny faritra Maputo

Isan’ny nivoitra tamin’ny fandalovany tao an-toerana ny fanakatonana ny Maputo. Raha tsiahivina dia natokana ho an’ny gadra politika io toerana io hatramin’ny nanokafana azy. Mba ho fampitoviana ny zon’ny voafonja anefa no tena anton’ny fanakatonana azy, raha ny fanazavana. Nanamafy ny Minisitra fa tsy tokony hisy ny gadra politika, satria mitovy ny zon'ny voafonja rehetra, ankoatra ny marary sy ireo mihoatra ny 70 taona, ka izany no nanomezana io baiko io. Etsy ankilany dia natao indrindra hiadina amin’ny kolikoly ihany koa io fanapahan-kevitra io. Raha tsiahivina mantsy dia handoavam-bola manokana, ary ambony ny fahazoana io toerana io ka mampitombo ny kolikoly. Manome vahana ny fanararaotana ara-bola sy fitondran-tena tsy ara-dalàna eo amin'ny Mpandraharahan'ny Fonja ihany koa ny fisiany. Isan’ny antony nanakatonana azy avokoa izany.

Ho hatsaraina ny fiainan’ireo voafonja

Isan’ny fonja ahitana olona maro indrindra ity eo Antanimora ity ka mba hampihenana izay isa izay sy hanatsarana kokoa ny fandraisana ireo voafonja dia ho aparitaka izy ireo. Miisa 9 ankehitriny ny fonja vaovao vita ka anisan'ny hotsoahina ho any amin'ireo fonja vaovao ireo ny ao Antanimora sy Tsiafahy. Efa afaka handray azy ireo ny fonjabe any Imerintsiatosika, sy ny fonjaben' Avaradrano.
Etsy ankilany, nanambara ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja fa mba ho fanajana ny zon'ny voafonja amin'ny resaka fidiovana, fitsaboana ary sakafo dia efa misy ny vahaolana. Amin’izao fotoana izao dia efa ahitana fanampin-tsakafo "plumpy nuts" ho an'ireo tena marefo ao. Etsy andaniny dia mitohy ireo fampiofanana ho an’ny voafonja mba hanampiana azy ireo hiverina eny anivon'ny fiaraha-monina aorian’ny famonjana.

Lire la suite

Articles Similaires