• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Cirgn Antananarivo
Image
Vaovao

Mandoto - Lehilahy 64 taona nanolana ny mpanampy an-tranony

26/02/2025 18:24 © Moov

Nitrangana fanolanana zaza tsy ampy taona indray tao amin'ny Kaominina Fidirana, Mandoto Vakinankaratra. Mpanampy an-trano vao 15 taona no naolan'ny mpampiasa azy.

Raharaha miisa roa no iampangana ny lehilahy iray 64 taona, dia ny fampiasana sy ny fanolanana zaza tsy ampy taona.

Fanararaotana ara-nofo

Ny alin'ny 21 febroary lasa teo no nanaovan'ity mpampiasa ny filàn-dratsiny ny mpanampiny. Monina eo an-tanàna ihany nefa ny ray aman-drenin'ity farany, ka nanambarany ny fanolanana nanjo azy. Noho izany, tonga nitory ilay raim-pianakaviana teny amin'ny biraon'ny zandary ireo ray aman-dreny ireo.
Efa mandeha ny famotorana ilay mpampiasa nanolana zaza tsy ampy taona, ka ho atolotra ny fitsarana ny tenany. Ilay mpanampy voaolana kosa dia niatrika fizaham-pahasalamana tamina toeram-pitsaboana iray tany an-toerana.

Fiarovana ny zaza tsy ampy taona

Mbola eo ambany fiahian'ny ray aman-dreny ny zaza tsy ampy taona. Na dia misy aza ny fahasahiranana dia tsy mbola azo ampiasaina ny tanora latsaky ny 18 taona. Efa marobe ireo tranga fampijaliana na fanararaotana ara-nofo ataon'ny mpampiasa amin'ny mpanampy an-trano, indrindra matetika vehivavy ny ankizy miasa an-trano.
Azo atao tsara ny mitoroka raha mahita trangana herisetra ara-nofo sy ara-tsaina eny amin'ny manodidina. Mety manavotra ain'olona mantsy ny famelana ny mpitandro ny filaminana handray ny andraikiny manoloana ny herisetra isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires