Raharaha Rasazy Narindra - Tafakatra 6 ireo voasambotra
Miisa 6 ankehitriny ireo olona voasambotra, noho ny fitifirana ny Ben'ny Tanànan'i Mangataboahangy, ny Rasazy Narindra.
Mitohy hatrany ny fanadihadihana mikasika ny famonoana ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Ambanivohitra Mangataboahangy, Itompokovavy Ranivoarivony Narindraniaina na Rasazy Narindra.
Mitombo ny isan'ireo voarohirohy
Raha tsiahivina, ny takarivan'ny zoma 21 febroary lasa teo no nisy nitifitra i Rasazy Narindra, ka nahatonga ny fahafatesany. Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, olona 3 no voasambotra, ka anisan'izany ny PDS-n'i Mangataboahangy teo aloha. Androany alarobia 26 febroary, nanambara ny avy eo anivon'ny Compagnie territoriale de la Gendarmerie Nationale Ambatofinandrahana fa misy olona 3 hafa fanampiny izay voarohirohy amin'ilay raharaha. Hatreto aloha, basim-borona iray ihany no efa eo ampelatanan'ireo mpitandro ny filaminana.
Mitohy ny fanadihadihana
Efa maro ireo tompon'andraikitra ambony eto amin'ny firenena no nanambara fa tsy handefitra amin'izay nahavanona izao loza izao. Manamafy izany ireo mpitandro ny filaminana. Mitohy ary mihamafy ny fanadihadihana, mba ho voasambotra daholo ireo voakasika mivantana na an-kolaka tamin'ny namonoana ny Rasazy Narindra. Mbola tsy voamarina aloha hatreto raha efa amin'ireo olona 6 voasambotra ireo ilay tena atidoha nikotrika. Andrasana araka izany ny tohin'ny raharaha.
Atao andrimaso ao Mangataboahangy moa ireo olona 6 voasambotra, ary ho atolotra ny Fitsarana. Tsara ny manamarika fa manatanteraka hetsika fampandriantany ao Ambatofinandrahana ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana amin'izao fotoana izao, mba hamongorana ireo asan-jiolahy.