Seranampiaramanidina Ivato : 5 000 ariary ny saran'ny fibatana entana
Manaraka fenitra maro ny Ravinala Airports amin'ny fitantanana ny Seranampiaramanidina Iraisampirenena Ivato. Misy ny "Service Portage" izay azon'ny mpanjifa anankinana ny entany, na ho an'ireo hivoaka na hiditra an'i Madagasikara. Eo ihany koa ireo mpandeha mivezivezy manerana an'i Madagasikara.
Matetika dia be entana ny mpandeha rehefa hiondrana ivelan'i Madagasikara na avy any ivelan'ny Nosy. Tahaka izany koa ireo mpivezivezy amina faritra maro manerana ny firenena Malagasy. Misy lalana somary lavitra ihany koa manasaraka ny fanaovana "check-in" sy ny fiantsonan'ny fiara. Misy àry ireo "porteurs" na mpibata entana ara-dalàna, manao "gilet" manga sady manana "badge" azon'ny mpandeha hahatokisana tsara. Tsy atahorana ho simba na ho very ny entana amin'izany satria efa matihanina sy tsara hofana avokoa ireo "porteurs" ireo. Ampakarina eo ambony "chariot" ireo entana maromaro mba hipetraka tsara.
Sarany tokana
5 000 ariary ny saran'ny fangalana "porteur" ho an'ny mpandeha tsirairay, ho an'izay mila ny fanampiana amin'ny fibatana entana. Mitovy ny vola alaina na ho an'ireo teratany malagasy na vahiny. Tsy manakana ny fahafalimpon'ny mpanjifa nefa izany, satria misy ireo mpandeha no manome mihoatra.
Tsara ny manamarika fa tamin'ny taona 1993 no efa nitsangana ny "service porteurs" teo anivon'ny Seranampiaramanidina Ivato. Miha-mivoatra sy miha-matotra hatrany ny fomba fiasan'ireo mpibata entana ara-dalàna, indrindra hatramin'izay nandraisan'ny Ravinala Airports ny fitantanana ny Seranampiaramanidina Iraisampirenena eny Ivato, nanomboka ny taona 2019. Maherin'ny 100 moa ireo mpibata entana ara-dalàna. Miasa hatrany izy ireo amin'ny ora rehetra hiaingana sy hahatongavan'ny fiaramanidina, na andro fety aza.
Entanina hatrany ireo mpandeha rehetra, na mandray sidina anatiny na iraisampirenena, mba hitoky amin'ireo "porteurs" ara-dalàna. Tsara raha olona manao fanamiana ara-dalàna ihany no avela mibata entana. Misy mantsy ireo mpanararoatra sy mety hangalatra ireo entana, indrindra rehefa be olona be eny amin'ny Seranampiaramanidina.