• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fikambanan'ny Orinasa Malagasy (FOM) : 8 taona nanohanana ny mpandraharaha Malagasy

26/02/2025 15:46 © Moov

Misehatra amin'ny fampiroboroboana ireo orinasa salantsalany sy madinika eto Madagasikara ny Fikambanan'ny Orinasa Malagasy (FOM).

Maro ireo Malagasy efa sahy mirotsaka ao amin'ny sehatry ny fandraharahana. Misy ireo mitantana orinasakelim-pianakaviana raha misy kosa ireo manatanteraka ny nofinofiny mihitsy. Iaraha-mahalala nefa fa maro ireo olana sy sakantsakana sedrain'ny mpandraharaha malagasy. Tsy vitsy ireo miditra fatiantoka ka voatery manakatona ny orinasany rehefa mandeha eny ny fotoana.

Tantsoroka ho an'ireo orinasa salantsalany sy madinika

Manana mpikambana miisa eo ho eo amin'ny 500 ny Fikambanan'ny Orinasa Malagasy (FOM). Ny 400 amin'ireo dia ireo mpandraharaha tena madinika, ka misy mihitsy ireo mbola misehatra amin'ny tsy ara-dalàna.
Fanambin'ny FOM ny fanantonana ireo mpikambana ireo mba hahalalana ny mombamomba ny asa ataony na ny vokatra vokariny. Ireo toro rehetra voaangona avy eo no entina hanoroana ilay mpandraharaha hevitra fanatsarana na fanitarana, na ara-teknika na ara-barotra. Tsy adino ny fanamafisana ny fitantanana satria mbola maro ireo mpandraharaha no tsy manana kaonty mazava. Misy ihany koa ny fampiofanana mikasika ny informatika, mba hanamorana ny fitantanana ny orinasa. Tsy adino ny fanampiana amin'ny fanaganana pejy amin'ny tambazotra sosialy sy ny tranokala (site web) mba hampahafantarana ny orinasa sy ireo vokatra na tolotra ho an'ny mpanjifa. Raha fintinina izany, ataon'n FOM izay haha-matihanina ireo mpandraharaha, ary indrindra hiditra eo amin'ny sehatry ny ara-dalàna mba hisitraka tombontsoa maro. Sarotra ho an'ireo tsy manana taratasy ara-dalàna ohatra ny misitraka fampindramam-bola na mahazo tsena goavana, na eto an-toerana na any ivelany.
"Ny tanjon'ny FOM dia ny fanampiana sy ny fampivoarana ireo orinasa tena madinika sy salantsalany, izay manana anjara lehibe eo amin'ny fampandrosoana ny ekonomia eto Madagasikara. Ireo orinasa tena efa eo amin'ilay sehatr'asa nefa tsy tena mbola matihanina no tena tohanana" hoy ny filohan'ny komisiona fampiofanana eo anivon'ny FOM, Fanja Rakotondrainibe. Tsara ny manamarika fa misy ihany koa ny fiaraha-miasan'ny FOM amin'ny Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP), mba hanamaroana ny fampiofanana atolotra.

Sehatra fifanampiana sy fifanohanana

Saika mpandraharaha be traikefa avokoa ireo mpitantana ao amin'ny Fikambanan'ny Orinasa Malagasy (FOM). Samy manana ny manavanana azy izy ireo, ka afaka mizara fahalalana tsara amin'ny lafin-javatra maro. Misy ohatra ny "juriste" izay azo anontaniana tsara ireo mikasika ny lalàna mifehy ny orinasa. Misy ihany koa ireo efa nisehatra teo amin'ny fandraharahana manerantany ka manoro ireo lalam-barotra mety mahaliana any ivelany. Mifampizara traikefa ihany koa ireo samy mpikambana, na dia misy aza ny fifaninanana eo amin'ny sehatry ny varotra. Tsy adino ny fandraisana anjara amina hetsika ara-barotra isan-karazany, mba ho fampahafantarana ny orinasa sy ireo vokatra na tolotra.
Malalaka ny fidirana ho mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Orinasa Malagasy (FOM). Misy ny latsakemboka alohan'ny mpandraharaha tsirairay isan-taona, mba ho fampandehanan-daharaha. Tsara nefa ny manamarika fa tsy natao ho fitadiavam-bola izany fikambanana izany. Ny fifanampiana sy ny fanohanana ary ny firaisankina eo amin'ny samy Malagasy no tena imasoana.

Lire la suite

Articles Similaires