Rivodoza : Manambana ny faritra Atsimo i Honde; tsy misy atahorana i Garance
Misy rivodoza roa mihaodihaody manodidina an'i Madagasikara
Any amin’ny 545 Km andrefan’i Toliara no misy ilay rivodoza Honde, ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, raha ny tatitra farany nataon’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro, tamin’ny 10 ora maraina teo. Nahazo io anarana io moa ity andro ratsy ity tamin’ny 3 ora maraina rehefa nitombo ny heriny. Etsy ankilany, dia mbola tsy misy hatahorana ho an’i Madagasikara ilay rivodoza iray hafa ao amin’ny Ranomasimbe Indianina, antsoina hoe Garance.
Filazana miloko maitso ho an’ny tapany atsimo
Niakatra 80 Km/ora ny rivotra miaraka amin’ity Honde ity izay arahina tafiotra 110 Km/ora manakaiky ny foibeny. Voasokajy ho “tempête tropicale » izy amin’izany. Raha ny vinavinan’ny Météo Madagasikara dia mety hivadika ho « cyclone tropicale » izy io ao anatin’ny 48 ora. Mahafaka 10km isan’ora aloha ny fikisahany amin’izao fotoana izao. Hanambana mivantana ny tapany atsimon’ny Nosy kosa izy manomboka ny zoma maraina, raha ny vinavina hatrany. Hipaka miandalana amin’ny morontsiraka atsimo andrefana ny rahona miaraka aminy rahampitso maraina. Araka izany, nahazo filazana miloko maitso hatreto ny tapany Atsimo mba ho fiomanana. Tafiditra ao anatin’izany i Androy, Toliara I-II, Ampanihy, Amboasary Atsimo ary Taolagnaro.
Etsy ankilany dia efa entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Tsihombe mba tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro, eny.
Voaaro amin’i Garance i Madagasikara
Etsy ankilany dia efa voaaro amin’ilay rivo-doza Garance kosa i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Raha ny fanazavana, hatramin’ny omaly talata dia mety tsy hahakasika antsika izy io. Amin’izao fotoana izao dia ny Nosy La Réunion no mety handalovany, raha ny tomban’ny Météo-France La Réunion. Any Avaratra-Andrefan’i La Réunion ny foibeny tamin’ny 10 ora maraina teo. Mikisaka miantsinana kosa izy ka mety hivadika ho « cyclone tropicale » ao amin’io Nosy io rahampitso, alakamisy. Raha ny vinavina hatrany dia hanohy ny fikisahany miantsinana foana izy ka manamafy fa tsy hahakasika an’i Madagasikara.