Ady amin’ny tsifanjariantsakafo : Manohy ny fanohanana an’i Madagasikara ny Firenena Mikambana
Iray amin’ireo firenena 28 maneran-tany manana tahana tsifanjariantsakafo ambonin’ny 30%, efa naharitra am-polo taonany mahery, i Madagasikara. Hisy fihaonambe an-tampony iraisam-pirenena mikasika ny fanjariantsakafo ho an'ny fitomboan'ny harinkarena (N4G) hotontosaina any Parisy amin’io volana martsa ho avy io. Mandalo eto amintsika ny iraky ny Firenena Mikambana, ho fanomanana izany, ary nihaona tamin’ny filoha Andry Rajoelina.
Famongorana ny tsifanjariantsakafo
Araka ny fenitra napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), dia ilain’ny ankizy ho an’ny fitomboany ara-dalàna, ny mihinana sokajin-tsakafo miloko 5 samy hafa fara-fahakeliny, amin’ireo sokajin-tsakafo miloko 8 voafaritra. Araka ny tatitra farany, nampitain’ny Firenena Mikambana anefa, dia ny 1,74%-n’ny zaza malagasy no mihinana sakafo 3 na 4 loko, isan’andro. Sakafo miloko 1 na 2 isan’andro kosa no mba hanin’ny 24%-n’ny ankizy eto amintsika. Midika ho fahantrana ara-tsakafo mahery vaika izany.
Manoloana izany dia isan’ny handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampony momba ny fanjariantsakafo sy ny fitomboana ara-toekarena (N4G) hotontosaina any Parisy i Madagasikara. Nisy, omaly 25 febroary 2025, ny atrikasa fanomanana io fihaonana an-tampony io, izay nametrahan'i Madagasikara ireo tanjona hotratrarina ao anatin’ny dimy taona ho avy, ho famongorana ny tsifanjariantsakafo. Nanatrika izany ny sekretara jeneraly lefitry ny Firenena Mikambana sady mpandrindra ny hetsika ho an'ny fanamafisana ny fanjariantsakafo (Mouvement SUN), Afshan Khan, sy ny tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny fihaonambe N4G, Brieuc Pont.
Asa marolafy ho an’ny fanjariantsakafo
Omaly ihany koa no nihaona tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ireto vahiny ireto. Nandritra izany no nanaovana jery todiky ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin'ireo rantsa-mangaikan'ny Firenena Mikambana ary ny fanambin'ny firenena malagasy manoloana ny tsifanjariantsakafo. Isan’ny noresahina manokana ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny rivo-doza sy ny tondra-drano amin’ny mponina, hoy rtoa Afshan Khan, raha nanao tatitra fohy momba ny fihaonana. Noresahina ihany koa ny momba ireo asa marolafy rehetra azo atao mba hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo, toy ny fanamafisana ny famatsiam-bola ho an’ny sehatry ny fahasalamana, indrindra ho an’ny vehivavy sy ny ankizy ; ny fanamafisana ny fiahiana ara-tsôsialy, ny tosika ho an’ny fambolena, amin’ny alalan’ny fanohanana ireo mpamokatra madinika, fa ihany koa ny firosoana amin’ny fanodinana ireo vokatra mampiavaka an’i Madagasikara, toy ny vary, eo amin’ny sehatra goavana kokoa. Farany, manan-danja ihany koa, hoy izy, ny rano, fanadiovana sy fidiovana, tsy ho an’ny fampitomboana ny vokatra ara-pambolena ihany, fa ihany koa ho an’ny fahasalaman’ny mponina.
Araka izany, miara-miasa ny Firenena Mikambana, ny Fiaraha-miasa frantsay, ny Hetsika SUN sy ny governemanta malagasy mba ho fanatsarana ny sehatry ny fanjariantsakafon’ny zaza malagasy.