Herisetra an’habaka : Hanentana ireo ankizy amin’ny fampiasana aterineto azo antoka ny ARTEC
Tsy maharaka ny fihazakazahan’ny tontolo nomerika ny paikady fiarovana ireo ankizy, izay isan’ny mpampisa fitaovan-tserasera ihany koa. Izy ireny anefa no tena mora rebirebena, ka mety ho tratran’ny herisetra an’habaka, noho ny tsy fahalalana. Misy ny paikady napetraka mba hiadiana amin’izany, notanterahina tamin’iny herinandro lasa iny.
Ady amin’ny herisetra an’habaka
Araka ny nambaran’ny NCMEC (Ivon-toerana ao Etazonia misahana ny ankizy very sy tratran’ny fanararaotana), dia niisa 56.537 ny ranty nomerika mifono fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy, nivoaka avy eto Madagasikara, tamin’ny taona 2022. Izany hamaroan’ny tarehimarika izany no midika fa tandindomin-doza ny kilonga malagasy mpampiasa ny aterineto. Noho izany indrindra dia nisy ny fandaharanasa napetraky ny ministeran’ny Fitsarana, tohanan’ny Tahirin’ny firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF). Tao anatin’izany indrindra dia nisy ny atrikasa notanterahina tany amin’ny Faritra Anôsy sy Androy, ny 17 hatramin’ny 21 febroary 2025, momba ny ady amin’ny famitahana sy fanararaotana ara-nofo an’habaka (AESEL). Tanjon’ity atrikasa ity ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’izany ady amin’ny herisetra an’habaka izany, ary ny fametrahana paikady mahomby.
Isan’ny nandray anjara tamin’ity atrikasa ity ny Antokon-draharaha mandrindra ny fifandraisan-davitra sy ny serasera (ARTEC). Nizara ireo fomba amam-panao tsara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, momba ny fiarovana an’habaka, indrindra ho an’ireo ankizy tsy ampy taona, ny ARTEC. Isan’ny nozarainy ihany koa, amin’ny maha-mpikambana eo anivon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fifandraisan-davitra (UIT) azy, ny momba ny vahaolana ara-teknôlôjika ahafahana miady amin’ireo endrika herisetra an’habaka.
Aterineto azo antoka
Maika ny ady amin’ny herisetra an’habaka, hoy ny ARTEC, ka napetraka ny drafitrasa manokana hiadiana amin’ny ambana nomerika. Hiompana indrindra amin’ny fisorohana izany ny paikady, amin’ny alalan’ny fanofanana ny tanora amin’ny fampiasana aterineto azo antoka ; amin’ny alalan’ny fanentanana ireo mpisehatra voakasika rehetra ; ary koa amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny besinimaro ny amin’ireo loza mety hanambana amin’ny fampiasana aterineto. Miandrandra ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny ARTEC amin’ny fanatanterahana io paikady io, ka isan’izany ireo orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra, izay mitana anjara toerana goavana amin’ny fisitrahan’ny rehetra ny aterineto.
Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity, ankoatra ny ARTEC, ny ministeran’ny Fitsarana, ny sampan-draharaha miady amin’ny heloka an’habaka, ny ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina ary ireo mpitandro ny filaminana.