• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Fandriampahalemana an-dranomasina : Arafitra eto Madagasikara ny paikady hiatrehana ny ambana

24/02/2025 15:58 © Moov.Mg

Tafiditra ao anaty faritra stratejika fivezivezena i Madagasikara, ka maro ireo loza mety hanambana, ao anatin’ny fari-dranomasintsika. Tena ilaina, noho izany, ny fanamafisana ny fandriampahalemana an-dranomasina. Tanterahina eto amintsika ny fihaonambe momba ny fandriampahalemana an-dranomasina aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina, izay karakarain’ny Africa Center for Strategic Studies (ACSS).

Dinika ho an’ny fandriampahalemana an-dranomasina

Androany no nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy ity fihaonambe momba ny fandriampahalemana an-dranomasina ity, izay haharitra dimy andro. Hodinihan’ireo mpandray anjara, mandritra izany, ny fomba hanatsarana ny fandrindrana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ireo mpiara-miombona antoka. Eo ihany koa ny famolavolana paikady iraisam-paritra momba ny fandriam-pahalemana an-dranomasina, tafiditra ao anatin’ny fifanarahan’i Djibouti (DCoC), izay miompana amin’ny ady amin’ny jiolahin-tsambo sy ny fanafihana sambo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fananganana rafitra isam-pirenena sy iraisam-paritra, hahafahana miara-miatrika ireo fanamby amin’ny fandriampahalemana an-dranomasina.

Hifantohan’ny fifanakalozan-kevitra, ankoatra izay, ny ady amin’ny fandikan-dalàna mitranga eny an-dranomasina, ny fitsarana ireo heloka an-dranomasina, ary ny paikady sy ny fiaraha-miasa momba ny fandriam-pahalemana an-dranomasina aty andrefan’ny ranomasimbe Indianina. Ny jono tsy ara-dalàna, tsy nambara, ary tsy voafehin-dalana (INN) sy ireo fandikan-dalàna mitranga eny an-dranomasina ihany koa, dia fanamby goavana ho an’ny fandriampahalemana aty amin’ny fari-dranomasina misy antsika.

Fiarovana ny ranomasina sy ny olombelona

Firenena miisa 10 no manana solontena mandray anjara amin’ity fihaonambe ity, dia i Kaomoro, Djibouti, Kenya, Maorisy, Mozambika, Seychelles, Somalia, Afrika Atsimo, Tanzania ary Madagasikara. Tompon’andraikitra miaramila sy sivily miisa 50, miasa amin’ny tontolon’ny fandriampahalemana an-dranomasina avy amin’ireo firenena ireo, no hiara-hidinika, mandritra ny dimy andro. Nanatrika ny lanom-panokafana notontosaina androany 24 febroary 2025 ny Ambasadaoron’i Etazonia miasa eto Madagasikara sy Kaomoro, Claire Pierangelo. Nandritra ny fandrasam-pitenenany no nampahatsiahivany fa “Ny fiara-mientan’ny rehetra, ny fifampizarana vaovao, ary ny fandrindrana ny asa no ahafahana miaro ny ranomasina sy ny olombelona ary miantoka ny firoboroboana sy ny fahamarinan-toeran’ny firenentsika sy ny faritra misy antsika.”

Isan’ny nandray anjara tamin’ny lanonam-panokafana ity fikaonan-doha momba ny fandriampahalemana an-dranomasina ity ihany koa ny lefitry ny Kaomandy misahana ny Fiaraha-miasa Sivily sy Miaramila eo anivon’ny AFRICOM, ny Ambasadaoro Robert Scott ; sy ny Sojaben’ny Africa Center, ny Dr. Assis Malaquias ; ary ny minisitry ny Jono sy ny Toe-karena Manga Paubert Mahatante.

Lire la suite

Articles Similaires