• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Fanadihadiana maharitra : Tokantrano miisa 17 000 hohadihadiana handrefesana ny toe-piainan’ny Malagasy

24/02/2025 15:22 © Moov

Miditra amin’ny andiany faha-11 ny Fanadihadiana maharitra eo anivon’ny tokantrano (Enquête permanente auprès des ménages EPM 2025). Tokantrano miisa 17 000 no notsongaina hanatanterahana io fanadihadiana io, manerana ny faritra 23. Sehatra maro no ho hadihadiana ary tokana ny tanjona, « handrefy ny toe-piainan’ny Malagasy », raha ny fampahafantarana tamin’ity anio ity.

Hanomanana paikadim-pampandrosoana

Ny alakamisy 1 marsa ho avy izao ny lanonana fanokafana ity hetsika ity ary ny volana marsa hatramin'ny volana jona no hanatanterahana ny fizarana voalohany ; ny volana aogositra hatramin'ny volana novambra kosa ny fizarana faharoa. Mpanao fanadihadiana efa voaofana no hanatanteraka ny fidinana an-tsehatra hahafahana mahazo antontan-kevitra marina sy ara-kalitao.
Manana fanamby goavana napetraka tsy maintsy hotratrarina amin’ny sehatry ny fampandrosoana i Madagasikara ka anton’izao fanadihadiana izao. Araka izany, ny hevitra rehetra voahangona dia ho ampiasaina hanomanana sy hampifanandrifiana ny paikadim-pampandrosoana amin’ny filàn’ny mponina. « Isan’ny tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana ny fijerena ny fahasamihafana eo amin’ny fari-piainan’ny Malagasy. Ao anatin’izany ny fahafaha-misitraka isaky ny tokantrano ireo filàna fototra toy ny fampianarana, fitsaboana, fananana trano fonenana, rano fisotro madio, ny tany, ny fananana asa sy ny tolotr’asa misy. Natao hijerena ny elanelana eo amin’ny fahantrana sy ny faharefoana isan-tokantrano ihany koa izy io ka hahafahana mampifanaraka ny asa fampandrosoana amin’izany fahasamihafana izany », hoy ny fanazavana avy amin’ny Talen'ny antontan’isa momba ny fari-piainana isan-tokantrano, Iary Rakotondradany.

Fiaraha-miasa amin’ny mponina

Isan’ny manano sarotra ireo mpanao fanadihadiana matetika ny fandavan’ireo tokantrano handray azy ireo. Manoloana izany dia nangataka ny fiaraha-miasan’ny rehetra ny avy ao amin’ny Instat. « Iangaviana ny isan-tokantrano mba handray tsara ireo mpanao fanadihadiana ary hamaly am-pahamarinana ireo fanontaniana. Etsy ankilany, ny valiteny rehetra dia mijanona ho tsiambaratelo ka tsy hisy hahalala », hoy ny fanazavana. Manamafy ny avy ao amin’ny Instat fa tsy hoe fanadihadiana fotsiny fa fotoana hahafahan’ireo tokantrano milaza ny olany sy ny manahirana azy io.
Etsy andanin’izany dia efa napetraka ny fahamailoana mialoha. Ireo mpanao fanadihadiana rehetra dia tsy maintsy mitondra famantarana toy ny « badge » sy fitafiana voatokana amin’izany.
Tsara ny manamarika fa efa nisy ny fanadihadiana mialoha nahafahana nitsaika ireo tokan-trano hanatanterahana ity fanisana ity.

Lire la suite

Articles Similaires