Rotsak’orana be : Olona 22 isa no namoy ny ainy, miisa 19 764 ireo traboina
Tsy nisy andro iray tsy nahitana rotsak’orana teto Antananarivo, nanomboka ny 14 febroary 2025 no nankaty. Tsy ny teto an-drenivohitra ihany, fa Faritra maro manerana an’i Madagasikara no niaina izany, izay nitarika fiakaran’ny rano, fahasimbana sy firodanan’ny fotodrafitrasa. Tsy mitsaha-mitombo ihany koa, araka izany, ny isan’ireo olona namoy ny ainy.
Rotsak’orana be niteraka fahavoazana
Tombanana ho mbola hahazo vahana ny oram-baratra, amin’ny ankapobeny, indrindra any amin’ny ilany andrefana sy ny tapany atsimon’i Madagasikara, araka ny vinavinan’ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro. Toerana maro no tra-pahavoazana vokatry ny oram-be mikija, araka ny antontan’isa azo avy eo anivon’ny Biraom-pirenena misahana ny fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), androany 24 febroary 2025 tamin’ny 9 ora sy 30mn maraina. Faritra miisa 7, Distrika miisa 19, kaominina miisa 38 manerana ny Nosy no voakasikizany orambe izany, teo anelanelan’ny 14 febroary hatramin’ny 19 febroary 2025.
Efa tafakatra 22 no isan’ireo namoy ny ainy, noho ny fahavoazana naterak’izany orambe izany. Olona iray tany Farafangana no maty nentin’ny rano ; zazalahy kely 2 taona no maty nianjeran'ny tamboho teny Ambanidia Volosarika, eny amin’ny Boriborintany faharoa Antananarivo Renivohitra, androany tokony ho tamin'ny 7 ora maraina ; olona miisa 3 : vehivavy 46 taona sy ankizy 6 taona ary zaza menavava 8 volana, no maty nihotsahan’ny trano tao amin’ny Fokontany Ilanivato Ampasika, Boriborintany faha-4 ; mpanjono miisa 4 no rendrika an-dranomasina tany Taolagnaro. Nahitana olona iray maty sempotry ny rano ihany koa tany Ikongo, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.
Orambe tany Ambatodrazaka
Araka ny antontan’isa avy eo anivon’ny BNGRC hatrany, dia olona19 764 isa, na tokantrano 5 221 isa no traboina ankehitriny. Miisa 7 294 ireo nafindra toerana eny amin’ny toby fandraisana traboina vonjimaika izay miisa 32. Tafakatra 3 671 isa ireo trano dibo-drano ary miisa 15 ireo toeram-ponenana rava tanteraka.
Marihina fa nisy oram-be mikija ihany koa tany Ambatodrazaka, nanombaka ny alahady 23 febroary 2025, tokony ho tamin'ny 04 ora sy sasany tolakandro, ary naharitra ora maromaro. Araka ny nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro dia rotsak’orana faha-4 betsaka indrindra voarefy, ho an'ny volana febroary, tato anatin'ny 44 taona farany, iny nitranga omaly iny. Niteraka tondra-drano tamin’ireo toerana iva rehetra ao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka izany rotsak’orana be izany.