• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Ambanidia : Zazalahikely 2 taona maty nianjeran'ny trano

24/02/2025 11:53 © Moov

Misesy mihitsy ny firodanana tamboho sy trano tato ho ato, noho ny rotsak'orana betsaka. Ny maraina teo, nisy trano nirodanan'ny tamboho indray ka namoizana aina.

Nisy firodanana tamboho teny Volosarika Ambanidia, androany maraina, tamin'ny 7 ora latsaka teo ho eo. Ilay trano teo anilan'ilay tamboho no nirodana, ka olona 3 mianaka no tao. Vokatr'izany, tsy tana ny ain'ilay zazakely 2 taona, raha naratra kosa ireo ray aman-dreniny. Manaraka fitsaboana eny amin'ny HJRA ireo naratra.
Araka ny fampitam-baovao avy amin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra, nisy fiotsahan'ny tany teny Ambohidroa, boriborintany faha-6. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra. Nisy fiara miisa 4 kosa tototry ny tany.

Fitandremana

Fotoana mahabetsaka ny loza amin'ny fiotsahana trano, tamboho sy tany izao fotoam-pahavaratra izao. Misy ny fiotsahana rehefa mahery loatra ny orana ka mandrodana fotodrafitr'asa eo no ho eo. Mety miangona any amin'ny fototry ny tamboho na ny trano ihany koa ny rano ka mandrodana izany rehefa miha-maina ny tany. Entanina ny rehetra mba ho samy mailo, indrindra raha fotodrafitr'asa efa antitra na tsy ara-dalàna no honenenana na eo akaiky.

Lire la suite

Articles Similaires