• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Drsp Amoronimania
Image
Vaovao

Fitifirana ny Rasazy Narindra : Anisan'ireo voarohirohy ny PDS teo aloha

24/02/2025 11:25 © Moov

Telolahy hatreto no voasamboatra noho ny raharaha famonoana ny Ben'ny Tanàn'i Mangataboahangy, Rasazy Narindra. Voalaza fa PDS-ny Commune Mangataboahangy teo aloha ny iray amin'ireo voarohirohy ireo.

Azo heverina fa noho ny fitandrovana ny tombontsoa manokana no anisan'ny namonoana ny Ben'ny Tanàn'i Mangataboahangy Ambatofinandrahana, Ranivoarivony Narindraniaina na Rasazy Narindra. Efa mivondrona ireo mpitandro filaminana ao Amoron'i Mania amin'ny fanadihadihana lalina, ary mitarika izany ny Commandant de Groupement Amoron'i Mania. Ity raharaha nitifirana ny Rasazy Narindra ity no tena votoanton'ny fikarohana, saingy jerena manokana ihany koa ny antony namonoana ireo Ben'ny Tanàna 3 teo aloha, ka anisan'izany ny Maire Tiana, rain'ny Rasazy Narindra.
"Olona tena nanam-piniavana hampandroso an'i Mangataboahangy i Rasazy Narindra, na dia tany lavitr'andriana tokoa aza io toerana io. Faniriany lalina ny hitondra fanovana sy fivoarana ho an'io toerana nahafaty an-drainy io", araka ny nambaran'ny Governoran'Amoron'i Mania, Rakotomandimby Désiré.

Veloma Farany

Omaly alahady 23 febroary, tamin'ny 12 ora atoandro, no nigadona tao amin'ny Efitrano malalaky ny Faritra Antamponivinany ny nofomangatsiakan'ny Rasazy Narindra. Nankahery ny fianakaviany moa ireo manam-pahefana sy tomponandraikitra sivily sy miaramila, ireo Ben'ny Tànana, indrindra ireo tapaka sy namana, ireo mpiara-miasa taminy ary ny fianakaviam-ben'ny fahasalamana tao Antamponivinany Ambositra. Niala tao tamin'ny 2 ora tolakandro ny razana ka nitodi-doha ho aty Antananarivo.

Rahampitso talata 25 febroary ny hanatanterahana ny fandevenana, ao Antanetibe, Amboatavo Andramasina. Namela kambotikely iray moa ny Rasazy Narindra, izay taizany. 33 taona moa ny tenany izao nindaosin'ny fahafatesana izao.


Copyright Image : © TM

Lire la suite

Articles Similaires