• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 17 hatramin'ny 23 febroary 2025

24/02/2025 07:42 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny alatsinainy 17 hatramin'ny alahady 23 febroary 2025.

Ambatofinandrahana # Nisy nitifitra ny Ben'ny Tananan'i Mangataboahangy, Rasazy Narindra

Ny alakamisy 20 febroary lasa teo no nandray ny samboadiny ireo Ben'ny Tanàna tao Amoron'i Mania, tao Ambositra. Rehefa hamonjy fodiana Ben'ny Tananan'i Mangataboahangy, Ranivoarivony Narindraniaina na Rasazy Narindra, ny zoma 21 febroary, dia nisy nanakana ny fiara nitondra azy. Nitifitra variraraka ireo jiolahy ka lavo tamin'izany i Rasazy Narindra. Hatramin'ny sabotsy 22 febroary dia olon-dratsy 3 no efa voasambotra.
Fanadihadihana lalina no atao satria miisa 4 izay ny Ben'ny tanàna tao Mangataboahangy no nisy namono amperin'asa, ka anisan'izany i Rasazy Narindra sy ny rainy.

Manjakandriana # Nisitraka fampiofanana ireo Ben'ny Tanàna

Marobe ireo ben’ny tanana teo aloha no niakatra fitsarana eny amin’ny Pôle anti-corruption(PAC). Misy ireo iharan'ny fanenjehana isankarazany noho ny nataon'ny mpitantana teo aloha sy ny resaka politika. Noho izany indrindra dia nanolotra fampiofanana ireo ben'ny Tanàna sy ireo lefitra sy ireo mpanolotsaina ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Miisa 92 ireo namaly ny antso. Nampianarina tamin'izany ny fomba fitantanana ny kaominina (gestion administrative, Ressources humaines…), ny fomba fitantanam-bola, ny resaka fananan’ny kaominina (exécution budgétaire, gestion du patrimoine de la commune…), ary ny pitsopitsony amin’ny lalàna mifehy azy ireo.

Ambaranjana Ampahibe # Olona roa no maty noho ny firodanana tamboho

Tamboho iray nirodana, vokatry ny orambe tsy niato, tetsy Ambaranjana, fokontany cité Planton Ampahibe. Nianjera tamin’ny trano iray ambany nahitana efitra telo teo ambaniny izany, ka nahafaty renim-pianakaviana iray, 64 taona sy tovovavy iray 19 taona iray hafa. Napitiky ny riaka ary niafina tao amin’ny tafo iray tsy voatsindry kosa ilay raim-pianakaviana tao amin’ny efitra iray hafa, ka tsy nahafaty azy. Nitsapa alahelo sady nitondra fanampiana ho an'ny marary moa ny fitondram-panjakana.
Ny sabotsy 22 lasa teo, nisy trano nianjera ka nirotsaka tamina trano hazo teny Ilanivato. Miisa 4 ireo tra-doza, ka namoy ny ainy ny 3. Ny roa tamin'ireo maty dia zaza, ka 6 taona ny iray ary 8 volana ny iray.

Betsizaraina Ilafy # Notokanana ny Cité Soa Iadanana

Tafiditra ao anatin'ny tetikasa mikendry ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka ny fanorenana trano mifanaraka amin’ny fahefan'ny tokantrano rehetra. Trano fonenana miisa 55 amin’ny andiany voalohan'ny Cité Soa Iadanana Betsizaraina àry no notokanana ny zoma 21 febroary lasa teo. Mbola misy trano miisa 45 izay andalam-panamboarana moa ao amin'io toerana io.
Vinan'ny Fitondram-panjakana ihany koa ny fananganana tahirin-tany (réserve foncière) hahafana manorina trano ho an'ny sokajin'olona rehetra. Etsy andaniny, ny tetikasa Ankohonana Miarina izay hahafahan'ireo tokantrano marefo manova fiainana ka misitraka trano sy fampiofanana hahaleo tena amin'ny alalan'ny fambolena sy fiompiana.

Fiakaran'ny rano # Tsy nianatra ny mpianatra teto Analamanga nandritra ny herinandro

Nahazo fampitandremana miloko mena sy mavo ny teto amin'ny faritr'Analamanga tamin'iny herinandro lasa iny. Ny fiakaran'ny reniranon'i Sisaony no tena nampanahy, satria marobe ireo traboina teny Anosizato sy Ampitatafika. Mbola nitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ireo traboina, indrindra ho an'Antananarivo Atsimondrano sy Antananarivo Renivohitra. Raha ho an'ny Boriborintany faha-4 manokana ohatra, miisa 945 ireo olona raisina an-tanana eny amin'ny Tranompokonolona Andrefan'i Manajara. Arakaraka ny fidinan'ny rano moa no hamerenana ireo traboina eny amin'ny trano fonenan'izy ireo indray.

Fahavaratra # Fanalàna ny rano miandrona

Saika dibo-drano avokoa ireo faritra iva teto Antananarivo. Sarotra nefa ny fidinan'ny rano noho ny fahatsentsenan'ireo fivoahan'ny rano. Nanomboka ny alakamisy 20 feboary ary mifarana androany alatsinainy 24 febroary ny asa fisintonana ny rano miandrona. Moto-pompe miisa 4, an'ny BNGRC sy ny CUA, no ampiasaina amin'izany.
Nanamafy ny filoham-pirenena, nandritra ny fitsidihany ireo traboina teny Anosizato, fa hamafisina ny ady amin'ny fanorenana tsy ara-dalàna. Marobe mantsy ireo olona manototra tany tsy nahazoana alalana, izay manetsina ny fivoahan'ny rano.

Asan-jiolahy # Olondratsy 3 lavon'ny balan'ny Mpitandro ny filaminana

Jiolahy 3 maty voatifitry ny Polisy. Nisy jiolahy iray hafa voasamboatra ihany koa. Efa naraha-maso ireo olon-dratsy ireo, noho ny raharaha nahafatesana lehilahy iray mpanakalo vola nisy nitifitra teny Analakely. Nisy ihany koa moa ny fanafihana teny Ambodivona sy Alasora. Misy naman'izy ireo iray mbola tadiavin'ny mpitandro filaminana. Nandritra ny fifanenjehana teny Ankaditoho dia nisy polisy iray naratra voatifitr'ireo olon-dratsy.
Nanentana ireo olon-tsotra moa ny mpitandro ny filaminana mba hitandrin-tena sy tsy ho alaim-panahy haka sary rehefa misy tranga fisamborana olon-dratsy toy ireny.

Vondrona Afrikanina # Nanatanteraka fivoriana tamin'ny alalan'ny UA-BIRA

Notanterahina teto Madagasikara nandritra ny 3 andro ny " Réunion Consultative des Parties Prenantes Nationales pour élaborer une feuille de Route visant à renforcer la mise en œuvre et la gouvernance des Zones de Protection Marine (ZMP)en République Madagascar", izay iarahana amin'ny Vondrona Afrikanina amin'ny alalan'ny UA-BIRA.
Fizarana traikefa maro izay ananantsika amin'ny fitantanana ireo Faritra Arovana no tena natao tamin'izany. Andrasana ny tondro-zotra hanatsarana ny fametrahana sy fitantanana ireo Faritra arovana an-dranomasina hampiroborobo ny Toekarena Manga sy ny fidirambolan'ireo vondron'olona ifotony. Ny fananana izany tondro-zotra izany dia hitondra avo dia avo ny "visibilité" an'i Madagasikara ary indrindra hampitombo ny fahatokisan'ireo mpiara-miombon'antoka amintsika.

Basket # Tafakatra amin'ny Afrobasket 2025 i Madagasikara

I Madagasikara no nandray ny fifanintsanana Afrobasket 2025, ny zoma 21 hatramin'ny alahady 23 febroary. Henikaja isika mpampiantrano satria "qualifié" amin'ny Afrobasket 2025 izay hotanterahina any Angola ny ekipam-pirenena Malagasy sokajy lehilahy. Ny fandresena an'i Egypta takon'ny andro faharoa, izany hoe ny sabotsy 22 febroary, no nahazoana ny tapakila.
Nanohana mavitrika ireo mpilalao malagasy ny mpitia basikety maro. Feno hatrany mantsy ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena nandritra izay 3 andro izay.

Andry Rajoelina # Mpitarika mendrika teto Afrika 2024

Lasan'ny filohampirenena Malagasy Andry Rajoelina ny anaram-boninahitra "Leader politique africain de l'année 2024". Nisy moa ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ireo "Persons of the Year" izay nandraisan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina anjara, tany Casablanca, ka nandritra izany no nanambarana ny vaovao lehibe. Tsiahivina fa nahazo ny salanisa 65,69% ny Filoha Andry Rajoelina manoloana ny filohan'i Seychelles Wavel Ramkalawan (20,48%) sy ny filohan'i RDC Félix Tshisekedi (13,83%) nandritra ny fifidianana nokarakarain'ny African Leadership Magazine. Anisan'ireo mason-tsivana nandrafetana ireo izay nofidiana ny fananana vina sy drafitra mazava ho fampandrosoana ny fireneny, ny fivohizana ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena afrikanina ary ny fiarovana ny tombontsoan'i Afrika eo amin’ny sehatra iraisampirenena.

Rovan'i Madagasikara # Nambolena hazo zanatany ny zaridaina

Mitohy hatrany ny hetsika fambolenkazo amin'izao vanim-potoana fahavaratra izao. Zanakazo miisa 150 mampiavaka ny toeran’Andriana sady mariky ny fiandrianam-pirenena, dia ny Amontana sy ny Aviavy, no nambolena teny amin'ny Rovan'i Madagasikara. Ny sabotsy 22 febroary lasa teo no notanterahana izany fambolenkazo izany, izay nifandrimbonan'ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Governoran'ny faritra Analamanga ary ny Communauté Royale de Madagascar.
Izao hetsika izao dia nentina nanentanana ny rehetra hamoha ny hambompo amin’ny alalan’ny vakoka. Tsy adino ihany koa n'y soatoavina Malagasy, izay manome lanja ny vahoaka manontolo amin'ny fampandrosoana ny firenena. Mazava ho azy, efa maty paika ny fikolokoloana sy fanaraha-maso ireo zanakazo nambolena ireo.

Alaotra Mangoro # Zokiolona miisa 700 no nisitraka fanampiana

Fanamby goavana napetraky ny Ministeran'ny mponina ny fiahiana ny mpiara-belona, indrindra ireo olona marefo. Tafiditra amin'ny sokajin'ireo mila fanohanana tokoa ireo Zokiolona.
Nandritra ny fandalovan'ny Ministry ny mponina Razafinjato Aurelie tao amin'ny faritra Alaotra Mangoro ny 22 sy 23 febroary, nisy ny fanolorana fanampiana ho an'ireo zokiolona. Vary, menaka ary lamba firakotra no natolotra tamin'izany.
Mitontaly 700 ireo zokiolona nahazo fanomezana, ka 300 tao Ambatondrazaka, 200 tao Amparafaravola ary 200 ihany koa tao Andilamena.
Niara-nisalahy tamin’ny fitsinjarana izany fanampiana izany ny Minisitry ny Atitany izay mpiahy ny Faritra Alaotra Mangoro, niaraka tamin'ireo manampahefana sivily sy miaramila tany an-toerana.

Betafo # Mamokatra zana-trondro mandava-taona ireo mpiompy trondro

Miavaka ireo mpiompy trondro avy ao Betafo. Mampisongadina fahaiza-manao hafakely izy ireo ka mamokatra zana-trondro mandritra ny taona, raha indroa isan-taona kosa ny mahazatra .
Hain'izy ireo ny mitazona ireo renin-trondro tsy hanatody amin'ny alalan'ny fampangatsiahana ny rano, rehefa tsy tiana hanatody ny trondro na ahemotra ny fotoana tokony hamokarany atody. Mahay ny tantsaha malagasy raha ny vokatra teny an-toerana no jerena eo ihany koa ireo mpikaroka Tanora malagasy izay manana ny maha izy azy amin'ny fifanomezan-tanana amin'izy ireo, araka ny nambaran'ny avy ao amin'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Azo ampiharina tsara manerana ny Nosy izany teknika fampanatodizana trondro mandava-taona izany, mba hanana zana-trondro hatrany amin'ny fotoana rehetra sady tsy ho lany tamingana ny karazan-trondro maro.

Moramanga # Teratany Koreana 2 nisy namono

Teratany koreana tatsimo miisa 2 no niara# maty novonoin'ny jiolahy tao Morarano Gara. 58 taona sy 88 taona izy ireo. Ilay voalohany maty teo no ho eo rehefa voakapa famaky in-droa sy notifirina tamin'ny basim# borona tandrifin'ny fony sy ny tendany. Ilay faharoa kosa nototaina vato be teo amin'ny tandrifin 'ny fony ka mbola notsaboina tao amin'ny hopitaly be Moramanga ihany saingy tsy tana ny ainy. Naratra ihany koa ny mpamily.
Voalaza moa fa pasitera sady mpandraharaha izy ireo. Nanam-pikasana hanarina ny fambolena teto Madagasikara izy ireo, indrindra moa mikasika ny fambolem-bary. Jiolahy miisa 7 mirongo basy sy zava-maranitra no nahavanon-doza, ary 3 tapitrisa ariary no vola lasan'izy ireo.

RN13 # Hanohana ny fanamboarana ny Rio Tinto

Mitentina 8 tapitrisa dolara ny vola hatokan’ny orinasa Rio Tinto QMM hanohanana ny fanamboarana ny RN13. Ampiasaina amin'ny fanatsarana ny lalana eo an-tampontananan'i Taolagnaro ny ampahan'io famatsiam-bola avy amin'ny QMM io. Hisy kosa ny ampahany hanaovana ny asa eo amin'ny fidirana sy fivoahana ary ny tananan'i Betroka.
Efa mihoatra ny 60% ankehitriny ny fandrosoan'ny asa fanarenana ny RN13, eo anelanelan'i Taolagnaro sy Ambovombe. Ny avy aty amin'ny RN7, miainga eo Ikalamainty hatrany Betroka kosa, dia hanomboka amin'ity taona ity ny asa fanamboarana.

Manakara # Nosokafana ny hetsika fampiofanana fiompiana trondro 2025

Natomboka amin'ny fomba ofisialy ny 17 Febroary lasa teo ny hetsika fampiofanana Teknika fiompiana trondro Tilapia sy Karpa ao anaty ny Faritra Fitovinagny hoan'ity taona 2025 ity. Ny avy amin'ny Fitaleavana misahana ny fampamokarana ny Atirano sy ny Fitaleavam-paritra ny Jono sy Toekarena Manga Fitovinagny no niara-nifarimbona nanantanteraka izany.
Niompana tamin'ny teknika fototra momba ny fanatavezana trondro ary famokarana zanatrondro ny famelabelarana natao. Olona 150 no tonga nanatrika ity fampiofanana ity.

Lire la suite

Articles Similaires