• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Tv Plus
Image
Vaovao

Famonoana an'i Rasazy Narindra : Olona 3 no voasambotra

22/02/2025 19:54 © Moov

Tonga tao an-tanindrazany androany 22 febroary tamin'ny 10 ora sy sasany maraina teo ny nofomangatsiakan'i Rasazy Narindra, Ben'ny Tananan'i Mangataboahangy Ambatofinandrahana. Efa hatry ny omaly no nandeha ny fanadihadihana mikasika ny famonoana azy, ka olona 3 no voasambotra hatreto.

Raha tsiahivina, omaly hariva no nisy nanakana ny fiara nitondra an'i Ranivoarivony Narindraniaina na Rasazy Narindra. Nitifitra variraraka ireo jiolahy ka voa teo amin'ny saokany izy, ka maty teo no ho eo. Teny Ambavalozakely, kaominin'Itremo, hiditra an'Ankafotra no nitrangan'ny fanafihana.
Araka ny vaovao voaray, dahalo miisa 6 nirongo basim-borona sy Mas 36 no tompon'antoka amin'izao raharaha izao. Tsara ny manamarika fa tsy nisy vola na entana nalain'ireo jiolahy.

Fanadihadihana lalina

Araka ny fantatra dia nisy namono ihany koa ny rain'ny Rasazy Narindra, fony izy Ben'ny Tanàna amperin'asa tao Mangataboahangy Ambatofinandrahana. Noho izao tranga izao indray, mety azo heverina ny hoe ananan'olona lonilony ny fianakaviana. Mampieritreritra nefa fa nisy Ben'ny Tanàna miisa 2 ihany koa teo aloha, izay samy nisy namono avokoa. Raha atontaly izany dia miisa 4 be izao ireo Ben'ny Tanàna lavo tao Mangataboahangy Ambatofinandrahana. Izany indrindra no anaovana fanadihadihana lalina hikarohana izay tena fototry ny olana sy ireo voarohirohy amin'izany raharaha izany.
Nivory maika ny OMC notarihan'ny Prefen'Ambositra mifandinika ny amin'ireo paikady hamerenana amin'ny laoniny ny fandriampahalemana any Ambatofindrahana sy ny manodidina. Mandray ny andraikiny tanteraka ireo zandary any an-toerana manohy hatrany ny fanadihadihana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy sy ireo mpaniraka.

Lire la suite

Articles Similaires