• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Crsn Ofisialy Commune Rurale Sabotsy-Namehana
Image
Vaovao

Fifamoivozana : Miato vonjimaika ny fampiasana ny lala-manivaka Tsarasaotra Antsofinondry

22/02/2025 08:51 © Moov

Mikatona vonjimaika ny lalana pavé Tsarasaotra - Sabotsy Namehana.

Miato ny fampiasana ny làlana Pave mampitohy an'i Tsarasaotra sy Antsofinondry. Efa nanomboka omaly 21 febroary no nametraka ireo fitaovana fanakanan-dalana ny avy eo anivon'ny kaominina Sabotsy Namehana. Ho fisorohana ny ho mety fihotsahana ao anatin'izao fahabetsahan'ny rotsak'orana sy ny fiakaran'ny rano izao no anton'izany.

Fitandrovana ny aina

Rano sy tanimbary ny sisiny roa amin'ny lalana mampitohy an'i Tsarasaotra sy Antsofinondry. Noho ny orana nisesy, efa ho roa herinandro izao, dia tsikaritra fa iakatra ny rano. Ahiana ihany koa ny mety fihetsehan'ny fototry ny lalana. Etsy ankilany, efa maro ihany koa ireo mpampiasa izany lalana izany no nahatsikaritra fa misy faritra maromaro mitady hihotsaka ny rarivato.
Noho izany indrindra dia mety hihitatra ny fiotsahana raha mavesatra ny fiara mandalo, indrindra raha maromaro mitandahatra. Mety hisy ihany koa ny loza tsy ampoizina rehefa avy be ny orana nefa mbola misy mampiasa ilay lalana. Izany indrindra no nanakatonana vonjimaika ity lala-manivaka ity aloha.
Azo antoka fa mbola hisy ny fanamarinana ny kalitaon'ity lalana rarivato ity vao hiverina hisokatra indray izany. Andrasana ihany koa ny hisian'ny asa fanamboarana sy fikojana ny rarivato, mba hisorohana hatrany ny loza.

Lire la suite

Articles Similaires