Fanafihana teny amin'ny RN 35 : Namoy ny ainy ilay Rasazy Ben'ny Tanàna
Vao afak'omaly no nalaza tamin'ny tambazotran-tserasera ilay Rasazy Ben'ny Tanàna. Mbola tanora izy sady mamihoditra teo amin'ny fiarahamonina. Nindaosin'ny fahafatesana sahady nefa ny tenany, noho ny tifitra nihatra taminy.
Ny alakamisy 20 febroary teo no notanterahina ny lanonana ara-panjakana fametrahana samboady sy fandraisana ireo Ben'ny Tanàna miisa 61 tao amin'ny faritra amoron'i Mania, tany Ambositra. Anisan'ireo Ben'ny Tanàna nanaitra ny maro i Ranivoarivony Narindraniaina na Rasazy Narindra. Voafidy tao amin'ny kaominina ambanivohitr'i Mangataboahangy Ambatofinandrahana moa ny tenany. Teny an-dalana hody izy, omaly zoma 21 febroary, no niharan'ny fanafihan-dahalo tao Ambavaloza, lalana makany Amboropotsy. Nisy nanakana ny fiara nitondra azy. Tsy tana ny ainy satria voatifitr'ireo olon-dratsy ny tenany.
Tsy fandriampahalemana
Efa malaza ratsy amin'ny tsy fandriampahalemana ireo faritra ambanivohitr'Amoron'i Mania. "Mangataka ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny fandriampahalemana aty antoerana fa tena mihorohoro tanteraka ny vahoaka. Tsy azo ekena ny famonoana olona ary matoky ny manampahefana tompon'andraikitra ny amin'ny fitadiavana sy fanasaziana izay nahavanondoza.", hoy ny Solombavambahoaka Richard Razafindrabary. Araka ny loharanom-baovao azo, Ben'ny Tanàna maty amperin'asa ny rain'i Rasazy Narindra (Maire Tiana), ka fanambin-dratompokovavy ny handimby an-drainy. Samy maty amperin'asa izany izy mianaka samy tompon'andraikitra tany Ambatofinandrahana.
Araka ny nambaran'ny Zandarimaria eto Antananarivo, efa mandray ny andraikitra manandrify azy ireo amin'ny fikarohana ny olon-dratsy sy fampandriana fahalemana ny faritra ny CIRGN Fianarantsoa sy ny Groupement Amoron'i Mania. Andrasana araka izany ny tohin'ny fanadihadihana mikasika ity raharaha ity.