• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Betsizaraina : Notokanana ny Cité Soa Iadanana, ahitana Trano Mora miisa 100

21/02/2025 16:32 © Moov

Notokanana tamin’ity anio ity ireo trano fonenana miisa 55 naorina ao anatin’ny Cité Soa Iadanana ao Betsizaraina, Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny paikadim-pirenena hamenoana ny filàna trano fonenana ho an’ny olona andrenivohitra, ambanivohitra, ary hatrany amin’ny morontsiraka izany. Efa mahatratra 3 713 ireo karazana trano amin’ny sokajiny samihafa naorina manerana ny Nosy nanomboka tamin’ny taona 2020, raha ny tatitra.

Trano fonenana miisa 40 000 ny vina

Isan’ny fananana iray irian’ny malagasy rehetra ny trano. Manala fahasahiranana maro isan-karazany ny fananana azy io. Hamaliana izay filàna izay indrindra ireo tetikasa samihafa novokarina. Ankoatra ireo trano telo arivo mahery ireo mantsy dia maminavina ny hanorina trano hatramin’ny 40 000 ny Fitondram-panjakana. Mbola ho amin’ny endriny samihafa sy ho takatry ny fahasamihafan’ny Malagasy ihany koa izany. Ao anatin’izany fanarenana izany avokoa ny tetikasa rehetra mifandray aminy. Isan’izany ny « tetikasa Ankohonana Miarina », ny « trano mora » sy ireo « building mora » izay efa samy mandeha avokoa amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’izany ireto trano miisa 55 notokanana androany ireto. Mbola misy trano miisa 45 kosa izay efa andalam-panamboarana, ao anatin’io Cité Soa Iadanana io, hatrany. Marihina fa efa misy tompony avokoa ireo 55 raha mbola afaka misoratra anarana hisitraka ireo 45 ambiny ny rehetra.

Fanamorana ny fahazoana trano

Antony miisa telo no mahatonga ny Malagasy tsy manana trano fonenana. Ao anatin’izany ny fahakelezan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy ka mampihemotra ireo mpandraharaha. Ao ihany koa ny fiakaran’ny vidina trano avo 2 heny isaky ny 10 taona ka tsy afaka mindram-bola ireo mikasa hanao izany. Isan’ny lehibe indrindra ihany koa anefa ny fisitrahana ny tany satria tsy nisy tsony ireo manao « réserve foncière ». Manoloana izany dia nilaza efa nikaro-bahaolana ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy nytoeram-ponenana (SENVH). Isan’izany ny fifampiresahana tamin’ireo banky isan-karazany ka 10.6% ny tahan’ny zana-bola isan-taona, farany ambany, amin’ny findramana momba ny fanorenana azon’izy ireo. Ankoatra izay dia vinan'ny Fitondram-panjakana ihany koa ny fananganana tahirin-tany (réserve foncière) hahafana manorina trano ho an'ny sokajin'olona rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires