Fefiloha vaky any Tanambe Amparafaravola : Tanimbary 200ha no tandindomin-doza
Isan’ny mizaka ny vokatry ny orambe ihany koa ny any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Nisy fahavakisana ny fefiloha ao Ambohitanilava Ambohikely, Kaominina Tanambe, Distrikan’Amparafaravola. Nijery ny zava-misy any an-toerana ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, mba ho fisorohana ny fahavoazana goavana.
Fanamboarana ny fefiloha vaky
Iaraha-mahalala ny maha-sompitr’i Madagasikara ny Faritra Alaotra Mangoro, amin’ny maha-tanànan’ny mpamboly vary ny any an-toerana. Ankehitriny anefa dia tanimbary manodidina ny 200 ha ao Ambohitanilava Ambohikely, Kaominina Tanambe, Distrikan’Amparafaravola, no tandindomin-doza, vokatry ny fahavakisn’ny fefiloha. Ahitana vary efa mitsiry amin’ireo tanimbary ireo, ka ahiana mafy ny fiantraikan’izany amin’ny voka-bary amin’ity taona ity.
Mba tsy hiitaran’ny fahavoazana dia nidina ifotony nijery ny zava-misy any an-toerana ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio. Nandritra izany dia nitondra fanampiana ho fanamboarana izany fotodrafitrasa simba izany izy, ka nanolotra gony sy fasika ary niantoka ny fitaterana ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ny fefiloha ireo.
Fanohanana ny tantsaha
Nambaran’ny minisitra Hajarison François Sergio fa manohana ny tantsaha ao Alaotra Mangoro ny Fitondram-panjakana, amin'ny alalan'ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, noho ity Faritra ity azo sokajiana ho fototra amin’ny famokarana vary. "Hamafisina ny fananganana fotodrafitrasa maharitra sy ny fanadiovana ny lakandrano, mba hisorohana ny olana amin’ny vanim-potoana be orana tahaka izao", araka ny nambarany.
Raha tsiahivina dia vao tamin'ny 4 febroary teo no nanombohana tamin’ny fomba ôfisialy ny tetikasa fizarana hanam-pamokarana masomboly vary safiotra sy zezika, izay notanterahina tany Tanambe. Tantsaha 1400 isa moa no nisitraka izany tany an-toerana, ary ny filoha Andry Rajoelina no nitarika ny lanonana nanokafana ny fizarana.