Taombaovao Malagasy 2025 - Doany Ankazomalaza : Famerenan-kasina ireo fomba Malagasy adinodino
Ny 29 hatramin'ny 31 marsa no hiatrehana ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy 2025. Ny eny Ambohimanga no handray ny hetsika rehetra amin'ity taona ity.
Fety lehibe ho an'ny Malagasy tsivakivolo ny Taombaovao Malagasy 2025. Amin'ny faran'ny volana marsa izany no hanomboka ny taona vaovao. Eny amin'ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga no fotoana, ka mizara telo ny fankalazana.
-Sabotsy 29 marsa : Fanokafana ny fankalazana
-Alahady 30 marsa : Fankalazana ara-drazana
-Alatsinainy 31 marsa : Fankalazana ara-panjakana
Tsara ny manamarika fa toerana kely anaty alaala sy akaiky tanimbary ny Doany Ankazomalaza, 2 kilometatra miala ny Rovan'Ambohimanga.
Fanatanterahana fomba Malagasy manan-danja
Noho ny rivotra entin'ny fandrosoana, marobe ireo fomba Malagasy no zary adino. Ny lanonana makotroka toy ny Taombaovao Malagasy nefa no hanaovana indray ireo fomba nentim-paharazana manan-danja maro.
Mandritra ny fanokafana ny fankalazana, ny sabotsy 29 marsa, dia hisy ny fidiovana sy ny fanasinana. Ny takariva kosa dia hisy ny arendrina malagasy, iarahana amin'ireo ankizy rehetra manodidina. Mazava ho azy, hisy ny fandrehetana ny afo tsy maty. Ny alina mandra-maraina, manatrika ny fetibe antsoina hoe "Lamalama" ny rehetra. Azo antsoina ihany koa io fomba io hoe tsimandrimandry.
Ny alahady 30 marsa no andron'ny taombaovao 2025. Fiaraha-mizara fifaliana noho ny taona no tena votoanton'ireo fomba malagasy ho tanterahina amin'izany : fidiovana safo-drano, tatao, tsitsika & tolotra hasina, Joro Alahamady & tentina, tso-drano, dihin'ny Ntaolo sy zara hasina. Hampiavaka io andro io ny fitokanana ara-drazana ny lapan'Andrianampoinimerina eo anivon'ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga.
Ho an'ny alatsinainy 31 marsa kosa, ny fitokanana ara-panjakana ny lapan'Andrianampoinimerina no hatrehina. Hisy araka izany ny kabary ifandimbiasan'ireo tompon'andraikitra ara-panjakana sy ara-drazana. Tsy adino ireo fomba malagasy tsy azo iodivirana amin'ny fankalazana ny taombaovao : fidiovana fafi-rano, tsitsika & tolotra hasina, vono omby & tsodrano ary dihin'ny ntaolo sy zara hasina.
Fanentanana ho an'ny rehetra
Tsy anavahana foko na firazanana ny fankalazana ny taombaovao Malagasy 2025 eny amin'ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga. Eo am-pidirana dia efa misy ny fampahafantarana mikasika ireo fadifady mila tandremana. Amin'ny ankapobeny nefa, tsy azo atao ny mitondra osy, ondry, kisoa sy tongolo any an-toerana. Ny fitafy kosa dia mety daholo, ankoatra ny akanjo mainty.
Entanina manokana ireo mpianatra sy mpikaroka hanotrona ny fotoana rehetra, mba hahafantarana misimisy kokoa mikasika ny fomba malagasy. " Ezahina ampahafantarina sy ampitaina amin'ny taranaka faramandimby aty aoriana ny fombandrazana malagasy mba tsy ho very sy tsy ho verezina amin'ny zavatra hafa ", hoy ireo mpikarakara.