Pipeline Efaho : Vinavinaina ho vita amin’ny volana septambra 2025 ireo toby fitahirizan-drano eo amin’ny PK31
Miroso ny asa fanarenana ny tetikasa Pipeline Efaho any Toliara. Isan’ny nisongadina tao anatin'ny tatitry ny filan-kevitry ny Minisitra natao omaly, ny momba izany. Efa eo am-periny tanteraka mantsy ny asa amin’ny tapany voalohany amin’izao fotoana izao.
Efa napetraka ny « Task Force »
Ho fanatrarana ireo vinavina rehetra dia napetraka ny « Task Force » mba hanafainganana ny asa rehetra. Isan’ny andraikitr’io sampan-draharaha io ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny asa sy fanomezana ny tantsoroka ara-teknika rehetra. Ny Ministeran’ny rano, ny fidiovana sy fanadiovana no mitarika izany. Araka izany dia vinavinaina ho vita hatramin'ny volana jolay 2025 ny fanamboarana ny tobim-pamokarana eo amin'ny PKO eo Andakana. Hatramin'ny volana septambra 2025 kosa no kendrena ho vita ireo toby fitahirizan-drano eo amin'ny PK31 Mahatsinjo. Raha tsiahivina dia mirefy 97 km ity fitarihan-drano lehibe ho famatsiana rano fisotro madio any amin'ny faritra Atsimon'ny Nosy ity. Tsara ihany koa ny mampahafantarana fa orinasa roa no manatanteraka io fotodrafitr’asa lehibe io. Iray avy any Turquie ary ny iray avy any Chine. Samy efa namafisina tamin’izy ireo ny tokony hanafainganana ny asa rehetra.
Fampandrosoana ara-tsosialy
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny taona 2023 ity tetikasa ity. Mponina miisa 500.000 no hisitraka rano fisotro madio, any amin’ny faritra Androy sy Anosy. Tany fambolena mirefy 80 000ha kosa no ho voatondraka. Ary hisy ihany koa toerana fampisotroan-drano miisa 120 ho an'ny biby fiompy. Hamakivaky tanàna miisa 60 ao anatin'ny Distrika telo dia Taolagnaro, Amboasary Atsimo sy Ambovombe, ary hanondraka ny lemak'i Sampona, Maroalopoty ary Maroalomainty ny fotodrafitrasa. Ankoatra ny rano fisotra madio sy rano ho an'ny fambolena sy fiompiana dia hanatsara ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toe-karenan'ny mponina any atsimon'i Madagasikara ary ny hanamafy ny fahaiza-miatrika ny fiovan'ny toetr'andro ny tetikasa “pipeline Efaho”.