Fahavoazana vokatry ny oram-be mikija : Tafakatra 11 ny isan’ny olona namoy ny ainy
Herinandro taty aorian’ny nanombohan’ny oram-be mikija, izay nahakasika Faritra maro teto Madagasikara, dia efa mahatratra am-polony ny isan’ireo olona namoy ny ainy, araka ny tatitra farany azo avy eo anivon’ny Birao Nasiônaly misahana ny Fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC).
Oram-be mikija niteraka fahavoazana
Faritra miisa 5, Distrika miisa 16 ary Kaominina 29 isa manerana an’i Madagasikara, no voakasiky ny voina, vokatry ny oram-be teto Madagasikara, teo anelanelan’ny 14 febroary, hatramin’ny omaly 19 febroary 2025. Namoizana aina izany tranga voajanahary izany, ka araka ny tatitra farany azo avy eo anivon’ny BNGRC, ho an’ny androany 20 febroary 2025 tamin’ny 8 ora sy sasany maraina, dia nahatratra 11 ny isan’izany olona nindaosin’ny fahafatesana izany. Mponina ao amin’ny Boriborintany faharoan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny 2 amin’ireo, any amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo ny 2, any amin’ny Distrikan’i Manjakandriana ny 1, anyAantananarivo Avaradrano ny 2, any Ambatofinandrahana ny 1 ary any Nosy Varika ny 3.
Tsy nisy kosa ny olona tsy hita popoka, saingy olona 1 hatreto no fantatra fa naratra mafy. Olona 1 ihany koa, izay monina any Sahavato Nosy Varika, no avotra soa aman-tsara.
Nafindra monina vonjimaika
Teo amin’izay fahavoazana arak’olona izay ihany dia tokantrano 4 260 isa, ahitana olona 16 111 isa no traboina. Teto amin’ny Faritra Analamanga no ahitana ny maro indrindra amin’izany, izay nahatratra 13 830 isa, manaraka izay ny any Menabe, izay nahatratra 2 164 isa. Olona 9 036 isa, izany hoe : tokantrano 2 734 isa, tamin’ireo tra-pahavoazana, no voatery nafindra toerana any amin’ny toerana fandraisana traboina vonjimaika miisa 27. Misy olona 60 isa kosa, nifindra monina any amin’ny havany, na ny olona akaiky azy.
Ankoatra izay, momba ny fahavoazana teo amin’ny fotodrafitrasa, dia nahatratra 3 149 isa ny trano fonenana dibo-drano. Misy 5 kosa no nahitana fahasimbana, raha 13 no isan’ny trano rava tanteraka.