• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fiakaran'ny rano : Mbola manambana an'Analamanga ny loza, mbola tsy mianatra ny mpianatra

19/02/2025 20:33 © Moov

Mbola tsy mianatra ny mpianatra 20 sy ny zoma 21 febroary ho an'ny DREN Analamanga. Ny CISCO Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Manjakandriana ary Ambohidratrimo no voakasik'izany.

Efa ho herinandro izao no nahazoana orana betsaka tamin'ny faritra Maro eto Madagasikara. Ny zoma 14 febroary lasa teo mantsy no nirotsaka ny orambe izay nahadifotra toerana maro teto Analamanga, indrindra ny manodidina an'Anosizato sy Ampitatafika. Saika voa mafy avokoa nefa ireo faritra eto an-drenivohitra.

Mihoatra ny 1 000 ireo traboina ho an'Antananarivo Renivohitra

Raha ny antontan'isa voaray ny alarobia 18 febroary, miisa 1 235 ireo traboina eto Antananarivo Renivohitra. Mbola tsy tafiditra tao anatin'ny fanisana nefa ireo traboina eny Soanierana II, Soavimasoandro, Ivandry ary Ambodivoanjo. Efa misy moa ireo toerana manokana ialofan'ireo traboina, mandra-pidin'ny rano any amin'ny tokantranon'izy ireo isam-pianakaviana. Anisan'izany ny ANS Ampefiloha sy ny Gymnase Mahamasina ary ny Tranompokonolona Andrefan’i Mananjara.
Fepetra apetraky ny tompon'andaikitra moa ny tsy maintsy hiambenana ny trano ilaozana, noho ny tsy fandriam-pahalemana. Zaza amam-behivavy araka izany no tena hita eny amin'ireo toerana fandraisana traboina, ka ireo raim-pianakaviana no miandry trano.

Fahasimbana namoizana aina sy naharatrana olona

Nisy lehilahy iray nindaosin'ny fahafatesana noho ny loza nateraky ny rotsak'orana be loatra. Tototra nianjeran'ny trano nonenany ny tenany, teny Ambohimahitsy. Nisy zazakely miisa roa ihany koa nirodanan'ny trano misy rihana 5. Teny Ambatobe indray dia olona roa no naratra noho ny fiotsahan'ny tany. Nisy tamboho rindrim-bato nirodana ihany koa teny Alarobia Amboniloha saingy tsy nisy maty na naratra.
Ny mba hisorohana ny loza indrindra no antony nandraisana fanapahan-kevitra ny amin'ny fanohizana ny fampiatoana ny fampianarana. Raha tsiahivina, nanomboka ny alatsinainy 17 febroary lasa teo no tsy nianatra ny mpianatra.

Fitandremana mandritra sy aorian'ny orana

Amin'izao vanim-potoan'ny orana izao, entanina hatrany ireo mponina amin'ny faritra iva mba hamonjy toerana avo kokoa. Tsara raha ialàna tanteraka ny toerana tsy azo anorenana (nefa nanorenana ihany) toy ny toerana akaiky fefiloha na akaiky tanimbary.
Mila mitandrina hatrany ny rehetra na rehefa mijanona aza ny orana satria mety hisy firodanana trano na fiotsahan'ny tany tsy ampoizina, rehefa mihamaina indray ireo fotodrafitr'asa rehetra. Tsara raha ialàna avy hatrany ireo trano mampiahiahy, indrindra raha trano niorina efa ela. Amporisihina ny rehetra mba hanatanteraka fikojakojana ara-dalàna ny trano sy ny tamboho mba hiarovana ny ain'ny tena sy ny an'ny manodidina.

Lire la suite

Articles Similaires