Famokarana : Vehivavy hatramin’ny 200 efa afaka manova ny mangahazo ho lafarina ao Bongolava
Ho fanomanana ho avy tsaratsara kokoa, teraka tao Bongolava ny orinasa mamadika mangahazo ho lafarina. Fikambanana ahitana mpikambana miisa 230 no mampiodina izany asa izany. Miisa 200 ny vehivavy amin’izy ireo ary mananontena ny ankamaroany. Nanao izany tetikasa izany izy mba ho tombontsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nitsidika azy ireo tamin’ity herinandro ity ny mpanohana, dia ny Tetikasa PURPA miaraka amin'ny Tahirim-bolan'ny Fampandrosoana ny fambolena (FDA).
Manampy amin'ny fanatsarana ny fiainam-pianakaviana
Amin’ny ankapobeny, araka izany dia vehivavy no tena mitantana io sampana famokarana io. Izy ireo izay samy mandray anjara amin’ny asa avokoa, sady mampidi-bola amin’ny alalan’izany. Amin’ny lafiny iray, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny Tetikasa PURPA, Mitia Finoana Rakotoarisaona: “Tsy mijanona amin’ny fanodinana mangahazo ihany ity tetikasa ity fa mandrisika ny famoronana asa sy fahafahana mitady vola ho an’ireo mpikambana » Manatsara ny fari-piainan'ny fianakaviana any an-toerana izy io. Izany dia amin’ny alalan’ny fanavaozana ny sehatra sy ny fampiroboroboana ny fandraharahana any ambanivohitra.
Tsara ny manamarika fa ny mpikambana tsirairay dia manana anjara toerana lehibe, manomboka amin'ny fiotazana ka hatramin'ny varotra. Ao ihany koa ny fiantohana ny famokarana eto an-toerana sy fanajana ny etika.
Fizakan-tena ara-tsakafo sy fampandrosoana ny ambanivohitra
Mba ho fampitomboana ny ezaka amin’ny fampihenana ny fiankinan’ny firenena amin’ny fanafarana entana, manampy amin’ny fanamafisana ny fizakan-tenan’i Madagasikara amin’ny sakafo ity tetikasa ity. Tsara mantsy ny manamarika fa isan’ny akora ilain’ny malagasy betsaka ny lafarina. Ity asa fanodinana mangahazo ity araka izany dia tsy vitan'ny hoe afaka mamolavola loharanon-karena ho an’ireo mponina any an-toerana, fa koa afaka manampy ara-toekarena an’i Madagasikara manontolo.
Azo alain’ny faritra rehetra tahaka ity maodely ity. Mifototra amin’ny fanavaozana ny fomba fanao sy ny firaisankina ary manaporofo fa ny fandraharahana any ambanivohitra dia mety ho enti-mampandroso.
Ankoatra izay, ny tetikasa PURPA, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana, dia manamafy ny tanjony hitondra fanovana maharitra eo amin’ny fambolena eto Madagasikara. Hatao amin’ny alalan’ny fanomezan-danja manokana ny fitovian’ny lahy sy ny vavy izany. Marihina fa tsy vitan’ny manodina mangahazo fotsiny ireo vehivavy ireo manova ny ho aviny sy ny fiainany manontolo ihany koa.