Faritra Bongolava : Averina amin’ny lazany ny "baie rose" vokarina any an-toerana
Voasokajy ho isan’ireo tsara kalitao indrindra maneran-tany ny dipoavatra mena, na "baie rose", vokatra avy any amin’ny Faritra Bongolava. Miezaka mamerina ny lanjan’ity seha-pihariana ity ny Faritra, miaraka amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, amin’ny alalan’ny fambolena zanaka "baie rose".
"Allée des Baies roses"
Talohan’ny valanaretina Covid-19 dia tena niroborobo tokoa ny famokarana « baie rose » tany amin’ny Faritra Bongolava. Somary nitontongana nefa ny famokarana sy ny fanondranana, taorian’izay, ka tsy maharaka ny filàna manerantany. Mahatratra 100 taonina izany filàna izany, raha toa ka 21 taonina monja no vokarin'ny orinasa iray, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Faritra Bongolava.
Dingana iray mankany amin’ny fanarenana ity seha-pihariana « baie rose » ity ny fambolena zanaka dipoavatra mena miisa 800, manamorona ny lalam# pirenenana voalohany, notanterahina omaly 18 febroary 2025. Ny sisin-dalana havia sy havanana, eny akaikin’ny tetezana Ankadinondry, no nanatanterahana ny fambolena, ka ny 400 fototra amin'ny an-kavian-dalana dia natolotra ny Kaoperativa Tsaborose, ary ny 400 fototra amin'ny an-kavanan-dalana dia natolotra ny fikambanana Gasy Tosika Bongolava. Manomboka izao dia hahazo ny anarana "allée des Baies roses" io toerana io.
« Baie Rose de Bongolava »
Rehefa mitombo tsara ireto zanaka "baie rose" novolena ireto dia tombanana ho vokatra milanja 3,2 taonina no hotazan’ireo kaoperativa misehatra amin’ny dipoavatra mena. Tsara ny mahalala fa ny « baie rose » vokatra ao Bongolava dia nahazo ny « label » « Baie Rose de Bongolava », izay mipetraka ara-dalàna ao amin'ny Ofisy Malagasy misahana ny fizakamanana ara-indostria (OMAPI). Napetraka eo amin'ny takelaka lehibe izany marika izany, mba ho fantatry ny rehetra.
Ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan'i Tsiroanomandidy, ny Governoran’i Bongolava, ny Prefektioran’i Tsiroanomandidy ary ny Ben'ny Tanànan’Ankadinondry no nitarika ity hetsika fambolena dipoavatra mena ity. Notronin’ny fitaleavam-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana any an-toerana ary ireo solontenan’ny ministera hafa ihany koa ny fotoana. Nandray anjara mavitrika ihany koa moa ireo fikamban’ny tantsaha mamboly « baie rose », izay isan’ny hahazo tombony voalohany amin’izao fampiroboroboana ny seha-piharian’izy ireo izao. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fambolen-kazon’ny Faritra ihany koa izany fambolena zanaka dipoavatra mena izany.