Farafangana : Traboina miisa 386 vokatry ny hain-trano nisitraka fanampiana ara-pitaovana sy sakafo
Nitranga fahamaizana trano maro indray tao amin’ny Fokontany Ambohitrabo, Distrika Farafangana, ny marainan'ny 17 Febroary 2025, sahabo tamin'ny 1 ora sy sasany maraina. Miisa 386 ny traboina tamin‘izany, mitsinjara tamina tokantrano 76. Tonga omaly ihany ny fanampiana avy amin’ireo lehiben'ny sampandraharaham-panjakana sivily sy miaramila any an-toerana.
Notarihin'ny Solombavambahoaka Raby Ain'Harimanga na i Mamatsara, ny Prefen'i Farafangana Reminantenaina Herman, ary ny Sekretera Jeneraly ny Faritra, Tangidy Gabriel Stephan.
Kojakoja an-dakozia sy fitaovana samihafa
Nahitana vehivavy bevohoka miisa 09 sy zaza latsaky ny 5 taona miisa 55 tamin’ireo traboina. Teo ihany koa ireo mpianatra miisa 55, olona manana fahasembanana 8 ary be antitra miisa 13. Manoloana izany dia nitondrana fanampiana entiny mihoatra amin’ny fiainany ireo traboina rehetra. Vary 12 kitapo miampy koveta, zinga, savony, bidon, kapa, torse, silipo sy servieta ho an' ny vehivavy no tao anatin’izany. Nanolotra vary 5 kitapo kosa ny Governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana. Niaraka tamin’ny kahie sy penina ary akanjo fitafy natao ho an' ireo mpianatra tena tsy manan# ko tafiana natolotry ny Député Mamatsara. Teo ihany koa anefa ireo vary 10 kitapo, koveta, zinga, vilany, lovia, sotro, kojakoja an# dakozia, izay efa natolony. Natao hanalana amin’ny ampahany ny vesatra iainan'ireto niharan-doza izany.
Fahamaizana fanintelony
Raha ny tatitra dia efa fanintelony izao fahamaizana teo amin’io fokontany io izao. Manolona izay fiverimberenan’ny olana izay dia hisy ny drafitra fandaminana na ny " Plan d' urbanisme " eo amin' ny fanorenana ny trano mba hisian'ny elanelana. Natao izany mba hialana amin’ny fahamaizana matetika. Fanapahan-kevitra noraisina teo amin’ireo Tompon’andraiki-panjakana samihafa izany. Teo ny Ben’ny tanànan’i Farafangana, ireo Talem# paritra sy ny Lehiben' ny Sampandraharaham# panjakana sivily sy miaramila ary " ireo “Assistant Parlementaire” ny Solombavambahoaka izany.



