• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

Rezimantan'ny fikambanan'ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo : Manome tanana amin’ny famonjena ireo traboina

17/02/2025 11:01 © Moov.Mg

Mitombo hatrany ny isan’ireo olona traboina eto amin’ny Faritra Analamanga, arakaraky ny hitohizan’ny firotsahan’ny orana. Manoloana izany dia nanetsika ny Rezimantan'ny fikambanan'ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo (Régiment d'Association des Jeunes Volontaires) ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, mba hifanome tanana amin’ny famonjena ireo traboina.

Tanora mpilatsaka an-tsitrapo vita fiofanana

Raha ny tatitra azo avy eo anivon’ny Birao nasiônaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), androany 12 febroary 2025 tamin’ny 8 ora maraina, tafakatra ho 3.688 ny isan’ny olona traboina eto Analamanga. Avy amin’ny fianakaviana 991 isa izy ireo. Mponina ao amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano moa ny 3.666 amin'ireo traboina. Manoloana izao voina izao dia ilaina ny fifanampian’ny rehetra, ka izany indrindra no antony nanetsean’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny Rezimantan'ny fikambanan'ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo, mba hifanolo-tanana.

Tamin’ny volana janoary 2025 no napetraka ny Rezimantan'ny fikambanan'ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo, taorian’ny fiofanana nomena azy ireo teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, boriborintany faha-3 Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanora 100 mianadahy, avy amin'ny fikambanana sy hetsika tanora maro lafy, no nomena fiofanana momba ny fahaiza-misahana ny mety ho loza voajanahary miseho eny anivon'ny fiarahamonina eto amin'ny Faritra Analamanga, mba hahavonona azy ireo hamaly ny antson'ny fitondram-panjakana sy ny mpiray tanindrazana, raha sendra misy ny loza ara-boajanahary miseho, tahaka ny amin’izao fotoana izao.

Mponina tandindomin-doza

Mpiara-miombona antoka maro, toy ny tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) sy ny BNGRC, no nanome fiofanana ireto tanora ireto. Asa hotanterahan’izy ireo ny fanampiana ny olona mbola taraiky any amin’ny toeram-ponenany, ao anatin’ny rano miakatra, ka tandindomin-doza. Araka izany, hanampy amin'ny vonjy voina maika sy ny fanesorana ny traboina amin’ny toerana mampidi-doza izy ireo. Hiandraikitra ny fanangonana vaovao ihany koa ireto tanora ireto, mba hahafahana mamantatra ireo filàna maika eo amin’ireo traboina.

Eto Antananarivo aloha no misy Rezimantan'ny fikambanan'ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo, fa haparitaka any amin’ny Faritra hafa ny fivondronan’ny tanora vonona hanampy ny mpiara-belona tahaka izao.

Lire la suite

Articles Similaires