• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Coramad
Image
Vaovao

Ady amin’ny haromontana : Vaksiny faobe maimaimpoana ho an’ny alika sy saka eto Analamanga

17/02/2025 09:53 © Moov

Noho ny tranga na haromontana niseho matetitetika teto Analamanga dia nandray fanapahan-kevitra ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana. Misy araka izany ny fanaovam-bakisiny faobe ny saka sy ny alika eny amin'ny biraon’ny SRE Mahamasina, androany sy rahampitso.

Hiarovana ny olona sy ireo biby

Isan’ny aretina sarotra sitranina ary mety hitarika amin’ny fahafatesana ny haromotana. Mahafaty io aretina io vantany vao tonga ao amin’ny olombelona, indrindra raha tsy voatsabo haingana aorian’ny fanaikeran’ny biby mamindra ilay aretina. Izany indrindra tokony hiarovana ny olona sy ireo biby isan-karazany, sy hanapahana ny fifindran'ny haromontana. Ao amin’ny biraon’ny SRE Mahamasina, izay fantatry ny maro amin'ny hoe " Elevage Mahamasina", ny hetsika maimaimpoana. Ireo alika sy saka telo volana mihoatra no tokony handray io vakisiny io. Amin’ny 9 ora hatramin’ny 2 ora tolakandro ny ora fandraisana.

Tena misy ny haromontana

Anisan’ny areti-mandoza tsy dia hitan’ny olona ity haromontana ity. Nanamafy araka izany ny avy ao amin’ny Minisitera, tamin’ny alalan’ny sampan-draharahan’ny fitsaboana biby, fa tena misy io aretina io. Mbola betsaka rahateo ny alika mirenireny manerana ny tanàna ka isan’ny antony iray mety mahatonga izany. Etsy andaniny anefa, tsy ny alika irery ihany no mahatonga azy io fa eo ihany koa ny saka sy ireo biby samihafa mitovy aminy. « Vao ny herinandro lasa teo no nisy saka nanaikitra olona teny Ambohipo. Nanamafy ny valin’ny fanadihadiana fa mitondra ny aretina haromotana io biby io », hoy ny fanazavana avy amin’ny Minisitera. Tsy izany ihany anefa fa betsaka ihany koa ireo olona nokaikerin’ny alika ka handrasana ny valin’ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Tsara ny manamarika fa tsy eto Antananarivo ihany no hisian’ny tranga toy izany. Ny fanaovam-bakisiny ny biby fiompy ihany nefa no hahafahana misoroka mialoha io aretina io.

Lire la suite

Articles Similaires