• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 10 hatramin'ny 16 febroary 2025

17/02/2025 00:07 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 10 hatramin'ny alahady 16 febroary 2025

Rotsak'orana betsaka # Marobe ireo traboina eto Antananarivo sy ny manodidina

Ny takarivan'ny zoma 14 febroary no nanomboka ny ora-mikija teto Antananarivo. Mbola hitohy hatrany nefa izany amin'ity herinandro vaovao ity.
Ny sabotsy tolakandro lasa teo no nanomboka faritra mena i Analamanga. 4 metratra no mantsy ny hahavon'i Sisaony. Tamin'io fotoana io nefa, efa nahatratra 2 545 (555 tokantrano) no isan'ireo traboina. Ny 1 545 amin'ireo no napetraka any amin'ireo toerana miisa 5 fandraisana vonjimaika ireo traboina ao amin'ny Distrikan Antananarivo Atsimondrano. Nampiasaina ny lakana haingam-pandehan'ny BNGRC, CPC, sy ny Sapeurs Pompiers. Nandray anjara feno ihany koa ny Zandarimariam-pirenena.

Vidim-bary # Misy fiakarany ny vary vokarina eto an-toerana eto an-drenivohitra

Miha-miparitaka eny an-tsena ny vary mora nafarana, vidiana 2 700 ariary ny kilao. Raha ny vary eto an-toerana kosa, tsikaritra fa misy fiakarany indray izany. Ny vary Malalioka dia 4 000 hatramin’ny 4 200 ariary ny kilao. Ny vary Manalalondo sy ny Dista dia 3 900 hatramin’ny 4 000 ariary ny kilao. Ny vary gasy kosa dia eo ho eo amin’ny 3 500 ariary ny kilao. Ny vary Semence no azo lazaina ho mora indrindra, izay 3 200 hatramin’ ny 3 500 ny kilao.
Voatery mampakatra ny vidim-bary avy eto an-toerana ireo mpaninjara sy mpivarotra enta-madinika satria mitombo ny mason-karena. Amin’izao fahavaratra izao, saika saro-dalana ireo toerana tena mpamokatra vary. Vao nisy fiakarany rahateo ny solika.

Vidim-bary # Misy vary mora vokatra avy eto an-toerana any Morondava sy Mahabo

Raha ny vary nafarana no amidy 750Ar any amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara, ny vary Botry vokatra eto an-toerana kosa no tafidina hatrany amin’io vidiny any Morondava.
Nanao ezaka ny mpandraharaha ara-barotra ao Morondava, taorian’ny fifampiresahana tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Menabe, ka nidina naka vary zanatany avy any amin’ny kaominina Ankiliabo any amin’ny distrikan’i Mahabo. “Natao Circuit court, izany hoe avy any amin´ny mpamboly no avy dia amidy atsinjarany eo amin´ny fivarotan´ny Tranombarotra Tanjona eo Namahora Morondava ny vary”, araka ny fanazavana.
Efa misy tranombarotra hafa koa vonona hiara-hiasa, hanamafy ny famatsiana vary zanatany amin´ny vidiny 750 Ar ao Morondava. Efa misitraka izany ihany koa ny any Mahabo.

Teknolojia # Fizarana sakafo tamin'ny alalan'ny Drone

Vita soa aman-tsara ny andrana voalohany notontosain’ny teo anivon'ny Ofisim-pirenena momba ny Fanjarian-tsakafo "ONN" sy ny "PAM" tamin'ny alalan'ny "drone tactique" miisa roa. Ireo zaza latsaky ny 5 taona tao amin'ny fokontany Sahavola, Andranofeno, Mahavelonkely ary Ampasimpotsy any amin'ny toerana sahabo 7 kilometatra miala avy ao amin'ny Distrikan'i Vondrozo, faritra Atsimo Atsinanana, no nisitraka solontsakafo "Plumpy sup".
Tanjona amin'izany ny handraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo manerana ny Faritra eto Madagasikara, indrindra any amin'ireo toerana saro-dalana. Hamita sidina miisa 15 isam-bolana ireo drone ireo, araka ny fampitam-baovao.

Fahavaratra # Manala ny tsikafona sy ny loto eny amin'ny Marais Masay ny APIPA

Ho fitsinjovana ny mponina an-tanan-dehibe amin'izao fotoana mahabetsaka ny rotsak’orana izao dia manohy ny fikojakojana sy fanadiovana ny farihin'ny Marais Masay Atsimo ny APIPA. Efa manomboka miasa ihany koa ny toeram-pitrohana rano. Ho fanamoràna ny fikorinan'izany sy hisorohana ny tondra-drano hatrany no anton’izany. Eo ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana sy ho fanatsarana ny endriky ny tanàna, ary ny fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka.
Marihana fa efa mahatratra 15 000 m2 ny toerana voadio ary fako 1960 m3 no efa notanterina eny Andralanitra nanomboka tamin'ny fiandohan'ny asa ka hatramin'izao.

CUA # Fivorian'ny Filankevitra Monisipaly

Ny alatsinainy 10 hatramin'ny alarobia 12 febroary lasa teo no notanterahina ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny Filankevitra Monisipaly voalohany natrehan'ny Ben'ny Tanàna vaovao, Harilala Ramanantsoa. Nolanian'ny Filankevitra avokoa ireo lahadinika telo izay natolotra, dia ny rafitra na "organigramme" eo anivon'ny kaominina, ny fanomezana fahefana avy amin’ny Filankevitry ny Tanàna ho an’ny Ben’ny Tanàna ary ny fitsipika anatiny mifehy ny Filankevitry ny Tanàna.
Mitohy hatrany ary hihamafy ireo hetsika miantraika mivantana amin'ny fiainan'ny mponina, toy ny fanadiovana sy ny fampiofanana. Misitraka fandefasana horonantsary mihetsika kosa ireo ankizy, isaky ny alarobia hariva, eny amin'ny Biblioteka Monisipaly Analakely.

CUA # Famatsiana fitaovana fanadiovana ny tanàna

Notanterahina ny Alarobia 12 Febroary lasa teo ny fanomezana fitaovana ho an'ireo Rafitra Fanadiovana sy Fidiovana(RF2) miisa 14, teny amin'ny Annexe BMH Isotry. Fiaraha-miasa teo amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin'ny alalan'ny Departemanta misahana ny rano, ny fidiovana, sy ny fanadiovana, miaraka amin'ny "Water & Sanitation for the Urban Poor" (WSUP), izao famatsiana fitaovana zao. Karazany maro ny fanomezana azo tamin'izany : angady, borety, râteau, kofafa, lapelina, ary fitaovana ho an'ireo mpanadio (botte, combinaison, cache bouche, sns).
Tsiahivina moa fa ny RF2 no maka ireo fako isan-tokatrano, mitatitra izany eny amin'ireo daba-pako ary manadio ihany koa ireo lakan-drano any anaty fokontany. Amin'ny alalan'ny latsakemboka alohan'ny mponina moa no hisitrahan'ireo mpanadio ireny ny tambi-karamany.

Dubaï # Fihaonana an-tampon'ireo Governemanta manerantany

Nisy delegasiona malagasy nanatrika ny WGS 2025 ny 11 hatramin'ny 13 febroary lasa teo. Nandray fitenenana mandritra ny lahadinika momba ny haitarika sy ny lahadinika momba ny fizahantany ny Filoha malagasy Andry Rajoelina. Nozarainy nandritra ny kabariny ny haitarika roa napetrany hampandrosoana an’i Madagasikara izay mifototra amin’ny fanovana ny fomba fambolena sy ny fampiroboroboana ny famokarana ny angovo. Nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika fa ny haitarika arahana asa sy vina no paikady mahomby hanovana sy hampandrosoana ny firenena iray.
Nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia ny lasitry ny fifanaraham-piaraha-miasa izay hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toe-karena, ara-barotra sy ara-indostrialy eo amin’ny firenena Malagasy sy Arabo. Tsy adino ny fihaonan'ny filoha malagasy tamin'ny Mpanjakan’i Eswatini, Mswati III, izay hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny SADC eto Madagasikara, amin'ny volana aogositra.

Dubaï # Hanampy an'i Madagasikara amin'ny tetikasa goavana ny BADEA

Nihaona tamin'ny filohan’ny BADEA, Sidi Ould Tah, ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, nandritra ny WGS 2025 tany Dubaï. Hamatsy vola 250 hatramin’ny 350 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara ny Banky arabo BADEA, hanatanterahana ny ampahany faharoa amin’ny asa ny fanamboarana ny lalambe migodana « Autoroute » Tana # Toamasina. Mbola hamatsy vola mitentina 76 tapitrisa dolara ny tetikasa « Route du Soleil », mampitohy an’i Soanierana Ivongo # Vahibe, ihany koa io Banky io. Fiaraha-miasa amin'ny famokarana angovo azo avy amin’ny toho-drano sy ny herin'ny masoandro eo amin'ny firenena roa tonta moa io tetikasa faharoa io.

Addis Abeba # Sommet de l’Union africaine

Nandray anjara tamin'ny fivoriana an-tampon'ny Vondrona Afrikana faha-38 ny delegasiona Malagasy, notarihan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary. Nisy ny fifidiana izay ho filohan'io vondrona io, izay nanoloran'i Madagasikara kandidà. Ny mpifaninana natolotr'i Djibouti no nandresy tamin'ny fifidianana. Manana solontena nefa ny firenena Malagasy, izay lasa mpikambana ao amin'ny Commission de l'Union Africaine. Hisehatra amin'ny ny "droit international" ao amin'io vondrona io ny Dr Narindra Ramananarivo. 44 amin'ny 49 ny vato azony.

Morombe # Fanaraha-maso ny vokatra an-dranomasina niampy fanentanana

Nidina ifotony tao amin'ny toerana fiantsonana, Fkt Tsinjorano, sy tao amin'ny Bazary Be ny ekipan'ny CirPEB Morombe ny 10 febroary lasa teo. Niy mantsy ny andro ratsy sy ny mety fiovaovan'ny ao anaty ranomasina ka miteraka fitobahan'ny vokatra.
Nisy ny fanentanana ireo mpanjono mba hanaja hatrany ny fikatonan'ny jono hatramin'ny 28 Febroary 2025 ho avy izao. Nentanina ihany koa ireo mpivarotra mba hanatsara hatrany ny kalitaom-bokatra azony toy ny trondro mba hanara-dalàna ny habeny, ny fanadiovana ary ny fomba fitahirizana toy ny varilava. Tsy adino ihany koa ny nampatsiahy ireo mpanjono sy mpivarotra hazandrano izay mety hampidi-doza.

Tsiribihina # Omby 36 norobain'ny dahalo no tafaverina tamin'ny tompony

Nitrangana asan-dahalo mitam-piadiana ka nahaverezana omby miisa 37 tao amin'ny Fokontany Antambinoa, Kaominina ambanivohitra Andramy, Distrika Morafenobe, ny Talata 04 febroary lasa teo. Taorinan'ny fampandrenesana nataon'ny fokonolona sy ny tompon'omby ny miaramila manao ny asa fampandriana fahalemana (PSR) tany antoerana, dia nisy avy hatrany ny fanarahandia. Nisy arak'izany ny fifandonana teo amin'ireo dahalo sy ny miaramila teo amin'ny kizo antsoina hoe Andranonakoay Fokontany Ambolando, Kaominina ambanivohitra Mahafaijijo, Distrika Maintirano. Vokatr'izany dia tsy nahatohitra ny miaramila ireo olon-dratsy ary nandeha nitsoaka. Omby miisa 36 no tafaverina fa ny iray kosa novonoin'izy ireo teny andalana.

Amboasary Atsimo # Handray ny Festival Caméléon 2025

Ny festival caméléon dia hetsika iray entina ampahafantarina ireo zava-manan'aina rehetra ao amin'ny toerana iray. Anisany mampiavaka an'i Madagasikara mantsy ny fananany ireo zava-manan'aina maro. Nosafidiana manokana ny Faritra Atsimo nohon'ny fananany ireo harena voajanahary sy zava-manan'aina tsy fahita firy anisan'izany ireo karazana tanalahy sy biby hafa.
Ny 13 hatramin'ny 15 jona ho avy izao àry no hanatanterahana ny hetsika. Ny ONG Caméléon Madagasikara sy ny Ministeran'ny Jono no mpikarakara. Manohana izany ihany koa ny orinasa Yas Madagascar.

Lire la suite

Articles Similaires