Ora-mikija teto Antananarivo : Efa mahatratra 2 545 ny isan’ny mponina traboina
Efa nihoatra ny refy mena ny renirano Sisaony, noho ny oram-be efa nanomboka ny zoma lasa teo. Niakatra be, araka izany, ny rano eny amin’ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano ary efa roa arivo mahery ny isan’ny mponina traboina, raha ny antontan’isa voaray, omaly tamin’ny 10ora sy 30mn alina.
Tsy tafavoaka ny trano
Efa « en alerte rouge » isika izao, hoy ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja, tale jeneralin’ny Birao Nasionaly Misahana ny Fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly 15 febroary 2025, nandritra ny fidinana ifotony, namonjena ireo olona traboina teny amin’ny Kaominina Ampitatafika. Tomponandraikitra maro avy amin’ny BNGRC, ny APIPA, ny mpitandro ny filaminana, mpamonjy voina sy tomponandraiki-panjakana eny ifotony, no niaraka nijery ny zava-misy sy nandray an-tanana ny fanavotana sy ny famindrana toerana ireo olona traboina. Nahatratra 1.044 ny isan’izy ireo tamin’ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana, fa mbola nisy ireo nihitsoka tao anatin’ny toeram-ponenany, vokatry ny fiakaran’ny rano.
Nampiasaina ny sambo haingam-pandeha, nentina namonjy ireo olona tsy tafavoaka, noho izany rano miakatra izany. Notaterin’ny kamiaon’ny BNGRC namonjy ny CEG Lietnà Randrimaromanana, eny amin’ny Fokontany Faliarivo, Kaominina Ampitatafika, ireo traboina voaavotra hatramin’io fotoana nanatanterahana fidinana ifotony io. Sady malalaka ny toerana no akaikin’ny tobim-pitsaboana fototra ihany koa, raha misy mila fandraisana an-tanana, araka ny fanazavan’ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ampitatafika, Rado Ramparaoelina.
Mihoatra ny refy mena
Raha ny antontan’isa farany voaray teo anivon’ny BNGRC kosa, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany alina, dia nahatratra 2 545 isa ireo olona traboina tato anatin’ny Faritra Analamanga, izay miparitaka amin’ny tokantrano 555 isa. Saika mponina manamorona ny renirano Sisaony, ao amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano avokoa izy ireo. 1 185 no isan’ireo tsy maintsy nafindra toerana. Ny ora-mikija nanomboka ny zoma 14 febroary, no nitarika fiakaran’ny rano, ka nahatonga izao voina izao. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin'ny Antokon-draharaha miandraikika ny fisorohana ny tondra-drano eny amin'ny lemak'Antananarivo (APIPA), Ramanantsoa Rado Andriamahafaly, dia tafakatra ambony, mihoatra ny refy mena ny haavon’ny renirano Sisaony. Manara-maso tsy tapaka ny fivoaran’izany ny avy eo anivon’ny APIPA, hoy izy, mba hahafahan’ireo tomponandraikitra tsirairay mandray andraikitra haingana. Nanentana ny vahoaka ihany koa izy, noho izany, mba hanaraka ny fandaminana sy ny toromarika homen’ny manam-pahefana, mba hisorohana ny loza vokatry ny fiakaran’ny rano.

Hihamafy ny fiakaran’ny rano
Nanamafy izany fanentanana izany ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja. Nambarany, fa araka ny resaka nifanaovany tamin’ny avy eo anivon’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, dia mbola ho mafy kokoa noho ny omaly ny rotsak’orana androany. Noho izany dia antso miantefa amin’ny mponin’Antananarivo manontolo no nataony, ka ireo olona monina amin’ny trano atahorana rehetra, na tsy amoron-drano aza, dia nentaniny mba hiala amin’izany. Afaka manatona ny sefo Fokontany, hoy izy, fa efa nahazo toromarika ny amin’izay tokony hatao, manoloana ireo olona voatery mifindra monina vonjimaika, izy ireny. Ankoatra ny ivon-toerana handraisana vonjimaika ireo tsy maintsy miala ny tranony, dia efa vonona ihany koa ny sakafo hozaraina amin’izy ireo, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC.