Antananarivo : Dibo-drano ireo toerana manamorona an'i Sisaony, eny Anosizato sy Ampitatafika
Mihoatra ny 3 000 sahady ireo traboina eny Antandrokomby Ampitatafika. Mbola mitohy hatrany ny fanalana amin'ny tranony ireo tandindonin-doza, eny Anosizato sy Ampitatafika.
Omaly zoma 14 febroary, nisy rotsak'orana betsaka teto Antananarivo. Niakatra noho izany ny ranon'i Sisaony, ka nanondraka ny eny Anosizato sy Ampitatafika. Mbola ahiana hitombo hatrany nefa ny fiakaran'ny rano noho ny orambe androany sabotsy 15 febroary sy rahampitso alahady 16 febroary.
Traboina eny amin'ny faritra iva
Tafakatra manodidina ny 3.368 ireo olona traboina, mitsinjara tokantrano 620, izay nipetraka teny amin'ny fokontany Fkt Antandrokomby # Ambodivona. Ny maraina teo, teny am-balahana ny rano raha olon-dehibe tokony ho 1,50 metatra no mijoro. Saika dibo-drano avokoa ireo trano teny an-toerana, satria saika trano iva. Napetraka ao amin'ny Villa Lily Ambanimaso Anosizato avokoa ireo traboina mba hamonjena ny ain'izy ireo. Hatreto aloha, ny aina no novonjena fa tsy ny fananana. Efa misy nefa ireo fepetra noraisina mba hiarovana ireo fanaka sy fitaovana isan-karazany tavela isan-trano.
Nanamarika ihany koa ny zandarimaria sy ny BNGRC fa mbola maro ihany koa ireo mponina ao Anjanamaitso Ampitatafika no mila afindra toerana. Efa misy moa ny fikarakarana ny toerana handraisana azy ireo.
Fandraisana andraikitra
Mirotsaka an-tsehatra ny zandarimaria sy ny BNGRC manampy ny vahoaka sy manome tanana azy ireo, mba hitandrovana ny aina, indrindra ireo zaza amam-behivavy.
-Manampy ireo mponina izay voatery tsy maintsy miala ny trano fonenany.
-Mitatitra ireo entana, zaza sy olondehibe.
-Miaro ihany koa ny fananan'izy ireo.
Fanentanana sy fampitandremana
Miantso ny rehetra mba ho mailo hatrany amin'izany fiakaran'ny rano, indrindra ireo andalovan'ny reniranon'i Sisaony. Entanina ihany koa ireo mponina eny amin'ny faritra iva izay dibo-drano tanteraka mba hamonjy toerana azo antoka.
Tsara raha mandray fepetra ireo mahatsikaritra fa miha-miakatra ny rano :
-Tapahina ny herinaratra
-Atokana sy atao amin'ny toerana ambony ireo taratasy sy zavatra sarobidy
-Manangona rano fisotro madio