Fianarantsoa - Olona miisa 2 600 nisitraka fampiofanana sy fitaovana hoenti-miasa
2 600 be izao ireo nahavita fiofanana arak'asa sy nahazo fitaovana, noho ny tetikasa Haraton'aina an-tanàn-dehibe.
Fanambin'ny Ministeran'ny mponina ny hampandroso ny firenena amin'ny alalan'ireo tetikasa misy fiantraikany mivantana amin'ny fiainan'ny tsirairay. Ho an'ireo tanan-dehibe, misy ny tetikasa Haraton'aina izay mikendry ny fanampiana ny vahoaka hivelona tsara. Ny fampizakantena ara-toekarena izany no tanjona.
Asa tena
Ho an'ny Fitaleavam-paritry ny mponina Matsiatra ambony, fampiofanana sy fitaovana mifandraika amin'izany no natolotra. Olona 2 600 avy amin'ny Firaisana 7 tao Fianarantsoa no nisitraka izany. Maro karazana ny lohahevitry ny fampiofanana : fiompiana akoho gasy nohatsaraina, fiompiana kisoa, Pâtisserie & cuisine, zaitra ary fahaiza-manao mahakasika ny varotra.
Tsy voatery hiasa amina orinasa na amin'olon-tsotra ireto nahavita fiofanana ireto, satria afaka manangana ny orinasakeliny manokana. Ireo nianatra "pâtisserie sy cuisine" ohatra dia afaka manokatra "gargote" kely hivarotana hani-masaka sy mofomamy mafilotra. Azo atao tsara ihany koa ny misehatra amin'ny "service traiteur" ka miantoka ny sakafo, ranom-boankazo sy mofomamy amina fety isan-karazany.
Mbola hitohy hatrany ny ezaka ataon'ny Ministeran'ny Mponina, tsy ho an'ireo tanàn-dehibe ihany fa ho an'ireo toerana any anativolo ihany koa.