• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Lesiteinfo
Image
Vaovao

Fahavaratra : Ho avy hatrany ny orana isaky ny tolakandro, saika manerana ny nosy

15/02/2025 06:07 © Moov

Ao anatin'ny fahavaratra tanteraka isika izao. Mahazo fampitandremana manokana mikasika ny habetsaky ny rotsak'orana saika manerana ny nosy, ka tafiditra ao anatin'izany ny faritanin'Antananarivo.

Hahazo vahana hatrany ny oram-pahavaratra saika manerana an'i Madagasikara amin’ity faran’ny herinandro ity. Mety hanatombo kokoa izany amina toerana sasany amin’ny Afovoan-tany.50 hatramin’ny 90mm ny rotsak’orana andrasana ao anatin’ny 24 ora.
Ny alin'ny alahady 16 febroary no tena ho betsaka ny rotsak'orana ho an'Analamanga, Itasy, Vakinankaratra ary Ambatofinandrahana.

Fanentanana ny amin'ny fitandreman'ny tsirairay

Ho an'Antananarivo manokana, maro ireo toerana mora tondraka. Ho an'ireo tanàna iva dia tafiditra any an-trano mihitsy ny rano. Tsy vitsy ireo miroboka rano maloto rehefa mivezivezy. Entanina araka izany ireo mponina amin'ny faritra iva mba hampakatra ireo entana mora lena, ary hanapaka tanteraka ny herinaratra, mba hisorohana ny loza. Tsara ihany koa raha lalana efa mahazatra hatrany no hizorana mba tsy ho tafintohina na ho latsaka anaty lavaka.
Voakasiky ny fampitandremana ihany koa ny eny amin'ny faritra avo. Mety hisy mantsy ny fiotsahan'ny tany.

Lire la suite

Articles Similaires