• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Cirgn
Image
Vaovao

Anosizato - Rongony nafenina tao anaty "Thermos"

14/02/2025 19:37 © Moov

Rongony efa voafono no tratra tanaty "Thermos" teny Anosizato Andrefana. Tra-tehaka ihany koa ny foto-drongony maniry tsara maromaro.

Manao izay hevitra rehetra hanaparitahana zava-mahadomelina hatrany ireo mpanao ratsy. Tsy tara ihany koa nefa ireo mpitandro ny filaminana amin'ny fanangonam-baovao sy ny fanaraha-maso ireo olona mampiahiahy.

Famatsiana rongony eto Antananarivo

Nahazo loharanom-baovao mari-pototra ny zandarimaria miasa ao Anosizato Andrefana fa misy madamakely mivarotra rongony ao amin'ny "Dalle" Fkt Ankazotoho Kaominina Anosizato Andrefana. Androany 14 febroary, nidina ifotony ny ekipan'ny CP Anosizato. Tamin'izany indrindra no nanidy trano sy nitsoaka avy hatrany ilay vehivavy notadiavina.
Nangataka alalana tamin'ny Fitsarana nefa ny zandary hanokatra ny trano, ka dia natao ny fisavana. Rongony 10 fonosana no tsara afina anaty takoboka mpitahiry hafanana, heverina ho ranon-kafe mafana hay ravina maina manapoizina ka mitarika amin'ny fanaovan-dratsy sy herisetra samihafa. Nahitàna zavamaniry avy amin'ity zava-boahary manimba ity ihany koa tao amin'ilay trano. Mbola karohina aloha hatreto ilay mpivarotra sady mpamboly rongony.

Fanimbana ny fiaraha-monina

Tsy misy vokatsoa entin'ny rongony na heverina ho "mahasambatsambatra" aza izany. Manimba hatrany io zava-mahadomelina io satria mety hahavoa ny sain'ny mpidoroka. Noho izany, mety ho very tadidy, ho lasa adala na hanaonao foana ny mpandray rongony. Izany indrindra no mampirongatra ny asa ratsy toy ny fanolanana sy ny famonoana olona.
Entanina hatrany ny rehetra mba tsy ho alaim-panahy hanandrana zava-mahadomelina, indrindra ny rongony. Amporisihana ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana raha mahatsikaritra olona mitady hivarotra zava-mahadomelina any amin'ny takotakona,na mahita vondron'olona vitsivitsy na maromaro midoroka rongony.

Lire la suite

Articles Similaires