Fanondranana zava-mahadomelina : Rongony « cocaïne » 16,450 kg saron’ny mpitandro ny filaminana
Nahazo vaovao avy amin’olon-tsotra ny sampana fikarohana momba ny heloka bevava, ny 26 janoary 2025, fa misy olona mitatitra rongony an-tsokosoko, eo anelanelan’i Taolagnaro sy Antananarivo, ka niroso tamin’ny fametrahana vela-pandrika.
Rongony nampidirina an-tsokosoko
Araka ny fantatra dia avy any Pakistan io rongony io, no nentin’ny sambo. Tsy niantsona teto amin’ny morontsiraka malagasy izy io, fa nisy sambo nentin’ny tera-tany malagasy 4 sy maorisianina 1, nitsena ilay sambo avy any Pakistan sy naka ireo rongony tany afovoan-dranomasina tany Toamasina. Simba anefa ilay sambo, ka natopatopan'ny rano teny, nandritra ny 25 andro, izay vao nisy sambo nahita sy namonjy, ka nitarika azy nankany Taolagnaro. Avy any indray ireo rongony no nentina niakatra teto Antananarivo ary teo no tratran'ny vela-pandrika napetraka. « Cocaïne » milanja 16,450 kg no sarona, araka ny fanazavan’ny kôlônely Tahina Ravelomanana, lehiben'ny Sampam-pikarohana heloka bevava eny Fiadanana. Ankoatra izay dia nogiazana ihany koa ny basy iray sy ny sambo « vedette » iray. Araka ny fantatra dia nokasaina haondrana any Maorisy ireto rongony tratra ireto.
Olona 9 voarohirohy
Araka ny fanazavan’ny kôlônely Tahina Ravelomanana hatrany dia olona miisa 9 no voarohirohy amin’ity raharaha fikasana hanondrana rongony an-tsokosoko ity, ka tera-tany maorisianina ny 3 amin’ireo. Mbola misy ny olona tadiavina, ary isan’izany ny lehiben’ity tambajotra ity, any Maorisy. Mbola tadiavina ihany koa ny ampahany amin’ny rongony, satria ny antsasany amin’ireo nampidirina teto Madagasikara ihany ireto efa nogiazana ireto. Tombanana hitentim-bidy 3 miliara sy 200 tapitrisa ariary ireo « cocaïne » sarona ireo.
Hatolotra ny fampanoavana ireo olona 9 efa tratra ary hodorana kosa ireo rongony, araka ny nambaran’ny mpitandro ny filaminana.