Fiovan’ny toetr’andro : Nahavokatra masomboly tsara kalitao ny mpikaroka eo anivon’ny FOFIFA
Nahavokatra masomboly tsara kalitao sy afaka miatrika ny zava-misy iainana ankehitriny, ireo mpikaroka malagasy eo anivon’ny Foibe Fikarohana momba ny Fambolena sy Fiompiana Ampiharina ho Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (FOFIFA), tao anatin’ny tetikasa « Food-Sec Semence ».
Nampahafantarina ireo mpiara-miombona antoka, nandritra ny fitsidihana nataon’izy ireo tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny FOFIFA Ambatobe, ny fandrosoan’ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana malagasy, momba izany masomboly tsara kalitao izany.
Masomboly tsy misy fangarony
Misy karazany maromaro ireo masomboly tsara kalitao ireo, araka ny fanazavan’ny Dr. Ravelomanantsoa Santatra Herilalaina, talen’ny departemantan’ny asa fikarohana eo anivon’ny FOFIFA : masomboly katsaka karazany roa, masomboly tsaramaso karazany 3, masomboly mangahazo karazany 4 ary masomboly ovy karazany 3. Misy amin’ireo masomboly ireo no afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ihany koa no mahatanty ny aretina mpahazo ny voly sy miady amin’ny bibikely. Amin’ireo masomboly katsaka, ohatra, misy tsy laitran’ireo bibikely « chenille légionnaire d'automne », izay mirongatra be amin’izao fotoana. Ny masomboly tsaramaso vaovao indray dia mirakitra otrikaina betsaka kokoa. Fa ny isan’ny tena manan-danja, dia madio tsy misy fangarony ireo masomboly tsara kalitao novokarin’ny mpikarika malagasy ireo no sady tsara fitsimohana, hoy hatrany ny fanazavana.
Fanofanana ny tantsaha
Tsara ny mahalala fa tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa fanohanana ny fanjariantsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indianina (SANOI) ny tetikasa « Food-Sec Semence ». Tanjona, amin’ny ankapobeny, ny hamerenana sy hanamafisana ny sehatry ny famokarana masomboly tsara kalitao, salama, sy mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro aty amin’ny fari-dranomasina atsimo andrefan’ny ranomasimbe Indianina. Nanomboka ny taona 2021 ary mifarana amin’ny volama martsa 2025 ho avy io ny tetikasa « Food-Sec Semence ». Namatsy vola 2 tapitrisa euros ho an’ny voka-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana malagasy, niaraka tamin’ny fanamafisana traikefa sy fahaiza-manao ho an’ireo tantsaha, ny Vondrona Eoropeanina.