• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Lma
Image
Vaovao

Lycée Moderne Ampefiloha : Mankalaza ny faha-60 taonany amin’ity taona 2025 ity

14/02/2025 15:26 © Moov

Hankalaza ny faha-60 taonany ny sekoly Lycée Moderne Ampefiloha (LMA) amin’ity taona 2025 ity. Hatomboka ny alarobia 19 febroary izao ny fankalazana, amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana.

Tsy hifarana moa izany fankalazana ny faha-60 taona izany raha tsy any amin’ny volana desambra any. Mpampiantra, mpianatra, tompon’andraikitra ary ireo maintimolaly no andrasana amin’ireo hetsika rehetra.

Hampiakatra ny taham-pahahafahana fanadinana

Goavana ny vinan’ny sekoly amin’izao fankalazana ny taon-jôbily lehibe izao. Amin’ny maha-sekoly « pilote » azy dia tokony ho fitaratra ihany koa izy amin’ny taham-pahafahana fanadinana. Isan’ny lisea lehibe indrindra aty Afrika ihany koa izy, ka rariny raha tokony ho tsara hatrany vokatra.
« Mba hanamafisana izay toerana lehibe napetraka aminay izay dia vinavinaina ny hampiakatra ny taham-pahafahana fanadinam-panjakana hatramin’ny 80% raha manodidina ny 66% hatrany izany. Ao anatin’izany dia hanosika ny mpianatra ho amin’ny tsara hatrany ihany koa ny sekoly », hoy i Mamisoa Andrianjafy, Proviseur-n’ny sekoly. Anisan’ny fomba hatao hanatrarana izany tanjona izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa hiainan’ny mpianatra. Araka izany, ho atao tsangambaton’ny fankalazana ny fanorenana trano fidiovana vaovao. Hiezaka hanatratra ny fivoarana hatrany ihany koa ny sekoly, amin’ny maha# “Lycée Moderne” azy.

Hetsika samihafa

Ho marihana amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa ity fety ity. Hizara telo izany, ka fotoam-pivavahana no hanombohana azy ny alarobia ho avy izao. Hitohy amin’ny fety isan-karazany izany ny volana jona any ho any. Entina hamaranana izany kosa, amin’ny volana desambra, ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao.
Raha tsiahivina dia anisan’ny toeram-panabeazana eto Antananarivo ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA). Efa nahatafavoaka fianarana olona an’arivony maro izy io. Lisea lehibe indrindra eto Madagasikara amin’ny isan’ny mpianatra sy ny fotodrafitrasa izy. Ahitana efitrano fianarana miisa 65, mpiasam-panjakana sy mpampianatra manodidina ny 220 ary mpianatra manodidina ny 3 200 isan-taona ao aminy. Mpianatra manomboka amin’ny taona faharoa ka hatramin’ny farany (terminale) no mianatra ao.

Lire la suite

Articles Similaires