Tontolo iainana : Fanamby goavana ho an’ny zavamananaina sy ny mponina ny fanarenana ny ala honko
Manana ala honko manodidina ny 270 000 hektara i Madagasikara. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny morontsiraka, ny ady amin'ny fiovan'ny toetr'andro ary ny fanohanana ireo vondrom-piarahamonina mipetraka any amin'ny sisiny izany zava-maniry izany.
Tandindonin-doza ny ala honko noho ny antony samihafa. Izany no antony nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fitantanana sy ny fanarenana izany. Nisy àry ny fiofanana roa tany amin’ny helodranon’Ambaro (Diana) sy Melaky, nokarakarain'ny WWF Madagascar.
Fiofanana ho amin'ny fanarenana mahomby
Nivondrona ireo vondron’olona ifotony, ny solontenam-panjakana ary teknisianina avy amin’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana sy ny jono isaky ny faritra tamin'ny nanatontosana ireo fiofanana ireo. Ny tena tanjona moa dia ny hamantarana ireo faritra misy ala honko ho averina amin’ny laoniny. Eo ihany koa ny fametrahana drafitry ny asa mifanaraka amin'izany ary ny fampiharana ny fanarahamaso mahomby eo amin’izany tontolo iainana izany. Tany Ambaro, nijery ny voka-dratsin’ny rivodoza Gamane amin’ny ala honko ny WWF Madagasikara sy ireo nofanina. Teo ihany koa ny fikarohana vahaolana amin’ny faritra tsy afaka mamerina ny ala amin’ny laoniny aorian’ny loza. Ny fanatsarana ny fantson-drano no heverina ho vahaolana lehibe amin'ny famerana ny rano mihandrona sy ny sira tafahoatra ao amin’io toerana io.
Ho amin’ny fitantanana maharitra ny ala honko
Ho an'ny faritr’i Manambolo Tsiribihina kosa, mampihena ny honko ny fivondronan’ny fasika sy ny hain-tany maharitra loatra, araka ny tatitry ny WWF. Nodinihina nandritra ny fiofanana ny teknika fambolena sy ny fitantanana maharitra mba handresena ireo sakana ireo. Efa nisy moa ny fifanakalozam-pahalalana teo amin'ny vondrom-piarahamonina sy ny manampahaizana.
Noho ny fanaraha-maso hentitra sy ny fikojakojana tsy tapaka dia azo antoka ny famerenana amin’ny laoniny ny honko Malagasy. Mitohy ihany koa ny fampiofanana sy fanohanana ireo mpikarakara eny ifotony.