• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Cité Universitaire : Mitaky ny fangarahana amin’ny fisitrahana trano ireo mpianatr’Ankatso

14/02/2025 09:30 © Moov

Mbola olana mitoetra, tsy mety voavaha hatramin’izao ny olan’ny fisitrahana trano eny amin’ny « cité »-n’ny mpianatr'Ankatso. Nihaona tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr Chaminah Loulla, ireo tompon’andraikitra ao amin’ny CROU-A sy ireo Filohan'ny Fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny Faritra 23 ary ny solontenan'ny Filohan'ireo "blocs", omaly. Nivoitra tamin’izany ny resaka manodidina ny fisitrahana ireo trano ireo.

Hialana ny kolikoly

Votoanton’ny fihaonana ny ady amin’ny kolikoly sy ny resaka ivelan’ny lalàna amin’ny fisitrahana ny tranon’ny mpianatra. Napetraka nandritra ny fihaonana ny fangaraharana amin’ny fampidirana mpianatra hisitraka trano sy ny fepetra fahazoana ny "fast-food". Tsara ny mampatsiahy fa ny mpianatra no loha-laharana amin’ny fisitrahana ireto trano sy fivarotana eny anivon'ny Oniversité. Mbola maherin’ny 50% anefa ny olona efa tsy mpianatra intsony kanefa mibodo ireo trano ireo, raha ny fanazavan’ireo mpianatra. Misy fepetra mantsy ny fisitrahana ny trano, ka heverin’ireo solontenan’ny mpianatra fa ny ady amin'ny kolikoly no antoka tsy hiverenan’izany tranga izany intsony. Tokony samy mandray ny andraikiny ny filohan’ny CROU-A sy ireo Filohan'ny Fikambanan'ny mpianatra ary ireo Filohan'ny "blocs", raha ny fifampiresahana hatrany.

Vahaolana maharitra

Toy ny ray aman-dreny sy zanaka dia naneho ny maharary azy ireo solontenan'ny mpianatra. Tetsy ankilany kosa, nitondra fanazavana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin'ny CROU-A. Nanamafy ny Minisitra fa mametraka ny tombotsoan'ny rehetra ho laharam-pahamehana ny Ministera ary manokatra ny varavarany amin’ny fifampiresahana, ka raha misy ny olana dia iaraha-mitady ny vahaolana. Ao anatin’izany anefa dia vahaolana maharitra no angatahan’ny mpianatra mba hijanonan’ilay anarana hoe "tranon’ny mpianatra" . Mbola tena maro mantsy ny mpianatra, indrindra ireo avy any amin’ny faritra no tokony hisitraka ireo trano ireo. Isan’ny hangatahan’ny mpianatra ao anatin’izany ny fampiharana ny lalàna amin’ny fanesorana ireo tsy mpianatra intsony eny amin’ireo trano. Ankoatra izay moa, hangatahan’ireo mpianatra hatrany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa.

Lire la suite

Articles Similaires