• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Nt
Image
Vaovao

Fitantanana ny kaomisiaon'ny Vondrona Afrikana : Miisa 3 ireo mpifaninana

14/02/2025 08:34 © Moov

Amin'ny faran'ity herinandro ity, izany hoe ny 15 sy 16 febroary ho avy izao, no ho tanterahina ny fifidianana izay ho filohan'ny Commission de l'Union Africaine, mandritra ny fivoriamben'io vondrona io.

Amin'izao fotoana izao, ny solotenan'i Tchad, Moussa Faki Mahamat, no mitantana ny kaomisiaonin'ny Vondrona Afrikana. Ny taona 2022 moa no nitsanganan'io rafitra io, izay nanolo ny Organisation de l’Unité africaine (OUA). Miisa 55 ireo firenena mpikambana. Ny tanjon'izany rafitra izany dia mifantoka indrindra amin'ny fiombonana sy firaisankinan'ny firenena Afrikana. Eo ihany koa ny ady amin'ny fanjanahantany amin'ny endriny rehetra. Tsy adino ny fampanajana ny zon'olombelona sy ny famporisihina ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy amin'ny sehatra rehetra. Mbola asan'io kaomisiaona io ihany koa ny fiaraha-miasa amin'ireo mpanohana ny amin'ny famongorana ireo karazan'aretina mampatahotra rehetra, indrindra ny areti-mifindra.
Ny filoha izany no miantoka ny fahatanterahan'ireo tanjon'ny kaomisiona rehetra, sady miandraikitra ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ara-bola.

Richard Randriamandranto, kandida natolotr'i Madagasikara

Richard Randriamandranto, efa nisahana andraikitra ambony maro teto amin'ny firenena, no kandida natolotr'i Madagasikara. Ny tena nahalalan'ny maro azy dia ny naha-Minisitry ny Vola sy Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha. Nisitraka fahaiza-manao manan-danja teo anivon'ny Banky iraisampirenena, COMESA, PNUD sy CNUCED ihany koa ny tenany. 25 taona be izao no teo anivon'ny sehatra iraisampirenena ny tenany.
Roa ny mpifaninana amin'ny amin'ny fitantanana ny Commission de l'Union Africaine. Nanolotra kandida i Kenya, dia i Raila Odinga, praiminisitra teo aloha. 80 taona ny tenany amin'izao fotoana izao. I Mahamoud Ali Youssouf kosa, avy amin'i Djibouti, dia minisitry ny raharaham-bahiny any an-toerana, nanomboka ny taona 2005. 59 taona ny tenany. Ny kandidan'i Madagasikara, 55 taona, izany no zandriny indrindra amin'ireo mpifaninana.

Lire la suite

Articles Similaires