Trondro maty tany Ramena : Efa manao fanadihadiana ireo ministera voakasika
Niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera fa nahitana trondro maty, izay niteraka fofona tsy zaka, teny amin’ny moron-dranomasin’i Ramena, any Antsiranana Faritra DIANA. Nilaza ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, fa eo an-dalam-panaovana ny fanadihadiana mahakasika izany ny ministera tantanany, sy ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Trondro maty teny amoron-dranomasina
Nandeha ny resaka, nanomboka ny 11 febroary 2025, fa nahitana Trondro maty mitsingevana teny amin’ny ranomasin’i Ramena, manakaiky ny morony, ary feno trondro maty eny amin'ny tora-pasika. Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny antony mazava nahatonga izany tranga izany.
Araka ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsiamanaoraty Paubert, dia misy tranga maro mila fantarina, mba hahafahana mamaritra ny antony nahafaty ireto trondro ireto. Eo aloha ny mety ho fisian’ny andro ratsy, izay mety ho nitondra fikorontanan’ny rohivoahary nisy ilay trondro. Tsara amarinina ihany koa raha nisy ny trangana fahalotoana (pollution) tany an-toerana. Andalovana sambo betsaka mpitatitra entana, solika sy akora simika mantsy amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny, izay mety ho very an-dranomasina.
Trondro mpihinana zava-maniry
Raha ny filazan’ireo mponina, dia misy tokoa ny trondro maty hita, fa saingy tsy ao anaty Baie de Diego Suarez akory izany. Nisy tamin’ireo mpanjono ihany koa no nilaza fa nahazo trondro velona tsara. Heverina, noho izany, fa avy any amin'ny faritra lavitra kokoa no nahafaty ireo trondro, fa nentin'ny ranomasina namonjy ny morona. Araka ny nambaran’ny minisitra Mahatante Paubert, dia efa misy ny fitsirihana (analyse) izay atao. Ny fantatra aloha hatreto, dia trondro mpihinana zava-maniry an-drano, ao anatin’ny sokajy « phanérogame marine », izy ireo.
Araka ny fantatra dia nisy ny fivoriana niarahan’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Faritra DIANA, notarihin'ny talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Raharimalala Sylvie, izay niompana tamin’ny fomba hatao mba hanentanana ireo mpanjono, mpivarotro sy mpanjifa trondro mba hitandrina, noho ny tsy mbola fahafantarana mazava ny antony nahafaty ireo hazan-drano. Nisy ny fakana ampahany amin'ireo trondro maty, mba hanatanterahana ny fikarohana sy ny fanadihadiana.