• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Pm
Image
Vaovao

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo : « Drone » miisa 2 hamatsy fanampin-tsakafo any Vondrozo

13/02/2025 15:59 © Moov.Mg

Notanterahina androany 13 febroary 2024 ny andrana fitaterana fanampin-tsakafo, « Plumpy sup », hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo, tany Vondrozo. Tontosa araka ny tokony ho izy izany ary mponina amin’ny Fokontany miisa 5 no efa nisitraka izany sahady, androany.

Tsifanjariantsakafo mitarazoka

Iaraha-mahalala fa maro ireo toerana saro-dalana eto Madagasikara. Isan’izany ny Distrikan’i Vondrozo, any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Tahaka ireo faritra hafa zary lavitra andriana manerana ny Nosy, dia mananosarotra ihany koa ny famatsiana ireo fanafody sy fitaovam-pitsaboana tena ilain’ny olona eny ifotony. Izany indrindra no antony nitodihana tamin’ny fampiasana teknôlôjia avo lenta, amin’ny alalan’ny fampiasana ny « drone », hizarana ireo fanampin-tsakafo Plumpy sup, any an-toerana.

Tany Lanakasy, Kaominina Mahatsinjo, Distrikan’i Vondrozo, Faritra Atsimo Atsinanana no nanatanterahana ny andrana fitaterana an'habakabaka ireo fanampin-tsakafo, ho entina manohana ny mponina amin'ny ady atao amin'ny tsifanjariantsakafo mitarazoka. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Ofisim-pirenena momba ny Fanjaraintsakafo (ONN) sy ny Fandaharanasan'ny Firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) izao tetikasa izao.

Tolotra ara-pahasalamana

Fokontany miisa 5 any amin’ny 7 kilaometatra miala avy ao amin'ny tanànan’i Vondrozo no novatsian’ireo "Drone tactique" miisa roa "Plumpy sup", tamin’ity sidina voalohany ity. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Primatiora, izay miahy ny ONN, dia afaka mitondra entana milanja 160 kilao isaky ny sidina ny iray amin’ireto fitaovam-pitaterana an’habakabaka ireto.

Araka izany, manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony ny fampiasana ny « drone » hamatsiana hanam-pitsaboana tahaka izao. Any amin’ireo toerana tena lavitra sy saro-dalana mantsy, misy mpitantana tobim-pahasalamana fototra (CSB) izay mandeha an-tongotra mahatratra 3 andro, mandroso sy miverina, rehefa haka ireo fitaovana sy fanafody ilainy amin’ny fitsaboana. Miteraka olana lehibe izany, satria voatery mikatona ny CSB mandritra ny fotoana tsy maha-eo an-toerana ny tomponandraikitra, ka tsy afaka mitsabo tena ny mponina. Mampitahotra ihany koa ny asan-dahalo, izay mety haningotra ny aina mihitsy. Ankoatra izay dia mety hisy ny fahasimban’ny fanafody na ny fitaovana, mandritra ny dia.

Ireto « drones » hanampy amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo any Vondrozo ireto, dia vinavinaina hamita sidina miisa 15 isam-bolana.

Lire la suite

Articles Similaires