Ady amin’ny doro tanety: Namolavolana fitaovana entina miasa ny faritra Atsimo Andrefana, Boeny ary Menabe
Miatrika olana miverimberina sy mandrava ny tontolo iainana i Madagasikara isan-taona : doro tanety. Manimba ala sy tany fambolena an'arivony hekitara ireo afo tsy voafehy ireo, ka mampidi-doza ny zavamananaina tsy manam-paharoa eto amin’ny Nosy. Misy fiantraikany eo amin’ny fiveloman'ny vondrom-piarahamonina samihafa ihany koa izany.
Fitaovana mifanaraka amin'ny zava-misy eo an-toerana
Manoloana izany fanamby goavana izany dia nanao hetsika fanentanana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary koa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, miaraka amin’ny fanohanan’ny FAO (Organisation des Nations unies pour l'alimentation et l'agriculture). Ireo faritra tena marefo amin’ny afo no tena nanatanterahana izany dia ny faritra Atsimo Andrefana, Boeny ary Menabe.
Natsangana tamin’izany ny fitaovam-pifandraisana mba hampahafantarana ny mponina ny antony, ny loza mety hitranga ary ny fepetra fisorohana ny doro tanety. Natao ho an’ny daholo be ireo fitaovana ireo. Nampifanarahana amin’ny zava-misy isaky ny faritra sy ny fomba fiaina any. Ao anatin’izany ny mpamboly, ny mpiompy, ny manampahefana eo an-toerana ary ny mpianatra. Etsy ankilany dia mbola natao amin'ny fitenim-paritra isaky ny toerana ihany koa izy mba hahazoana antoka ny fahatakaran’ny tsirairay tsara kokoa sy ny fahazoana ireo hafatra.
Famporisihina ny fomba fanao ho lovain-jafy
Anisan’ny tanjona amin’ity fanentanana ity ny hampiroborobo ny fomba fambolena sy fiompiana hafa. Miala amin’ny fanapahana sy fandoroana, toy ny « agroforesterie » sy ny paikady hitantanana ny tany mba haharitra. Ireo fomba ireo dia manampy amin'ny fiarovana ny tany sady miantoka ny vokatra azo avy amin'ny fambolena.
Mikendry ny hampihena ny firongatry ny afo sy hiarovana ny harena voajanahary eto amin’ny firenena ny fanapariahana ireo paikady sy tohana ireo. Ilaina ny fanentanana sy ny fanoloran-tena iarahan’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mponina any an-toerana mba hamongorana io doro ala io sy hiarovana ny tontolo iainana Malagasy.