• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Safer Internet Day 2025 : Nanolotra atrikasa mikasika ny Cybersecurite ny Yas Madagascar

13/02/2025 11:14 © Moov

Mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny Yas Madagascar. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny orinasa ny fanomezana malalaka ny aterineto sy ny fiarovana ireo mpisitraka izany. Izany indrindra no nanatanterahana hetsika miavaka ao anatin’ny fankalazana ny « Safer Internet Day » na Andro iraisam-pirenena ho an’ny Internet mahafinaritra.

Fanampiana ny mpanao gazety amin’ny fitandrovana ny toro an’habaka

Omaly 12 febroary, mpianatra miisa 400 tao amin’ny CEG Antanimena no nisitraka fanentanana sy fampianarana fohy mikasika ny "cyberharcèlement". Androany 13 kosa, ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety indray no nisitraka atrikasa fanentanana mikasika ny "cybersécurité" teny amin'ny Campus Yas Andraharo. Anisan’ny mpampiasa aterineto mantsy ny mpanao gazety, sady mikirakira toro saropady isankarazany.
Anisan’ny fampianarana natao ohatra ny tsy fampidirana ny mombamomba ny tena mihitsy rehefa mitsidika tranokala "http://" ny fanombohany. Azo antoka kokoa mantsy ny tranokala izay manomboka amin’ny "https://" . Miha-maro mantsy ny tranokala mampiahiahy sady mety hitarika "piratage" amin’ny kaonty ampiasaina. Nisy ihany koa ny fanoroana tranokala iraisampirenena natokana ho an’ny mpanao gazety mba hahazoana fahalalana misimisy mikasika ny Cybersecurité.
Tsy adino ny fampatsiahivana ny lalana mikasika ny Cybercriminalité sy ireo fanaovana fitarainana eto Madagasikara. Tsy vitsy mantsy ireo trangana herisetra an’habaka amin’ny endriny samihafa, mahakasika bebe kokoa ny vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona. Manampy amin’ny fanivanana ny vaovao avoaka izany, sady mamporisika hitoroka ireo tranga mampiahiahy na eo amin’ny sehatry ny asa na ny fiainana manokana.

Fanentanana mitohy

Tsy voalohany ny Yas Madagascar no nanolotra fampiofanana na atrikasa eo amin’ny tontolon’ny fampiasana ny internet. Maromaro mantsy ireo fepetra mila tandremana mba hiarovana hatrany ireo toro manokana sy ny tena ihany koa. Tsy azo adino mantsy fa maro tokoa ireo mpanao ratsy izay mikaroka toro samihafa entina hangalarana, hampiharana herisetra, hampitahorana na hanalana baraka.

Mbola hitohy amin’ny endrika samihafa ny fanentanana mikasika ny fampiasana aterineto azo antoka ataon’ny Yas Madagascar.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires