• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

“Tanora mandrafitra ny ho avy” : Hisy fampiofanana tanora hatramin’ny 300 ao Toamasina

13/02/2025 11:08 © Moov

Nanatanteraka resadresaka ho an’ny mpanao gazety ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, ho fampahafantarana ny tetikasa « Tanora mandrefitra ny ho avy ». Nandritra izany no nanambarany fa hisy fampiofanana ho an’ny tanora miisa 300 ao Toamasina, ho fanombohana ny tetikasa.

Tanora mandrafitra ny ho avy : hanampy ny tanora

Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena hanomezana lanja ny tanora sy ny fahaizany ity tetikasa ity. Tanjona lehibe indrindra amin’izany ny hanomezana fahafahana ho an’ireo tanora ireo hahaleotena amin’ny fiainany. Tsy vitan'izany ihany, fa eo ihany koa ny fikendrena ny hanohana ny tanora eo amin'ny sehatry ny fanabeazana, ny fandraharahana, ny kolontsaina ary ny fanatanjahantena. Izany no atao dia ny mba hahafahan'izy ireo miatrika ny ho avy amin'ny fahaleovantena sy ny faharetana.
Araka izany, ny tanoran’i Toamasina no hisitraka fiofanana voalohany indrindra, ny 21 hatramin’ny 23 febroary ho avy izao. Ity tetikasa ity moa, raha tsiahivina, dia fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary ny fandaharan’asa Fihariana. Nilaza ny Minisitra fa vonona ny hanampy ireo tanora ireo hatrany amin’ny fanatontosana izany.

Tanora mandrafitra ny ho avy : hanomanana ny YouthConnekt Africa 2025.

Tsiahivina hatrany fa handray ny fihaonamben’ny tanora Afrikanina ho an’ny taona 2025 i Madagasikara. Isan’ny hetsika entina hanomanana izany ny "Tanora Mandrafitra ny ho avy. Ireo tanora hampiofanana ireo no hanampy ny minisitera amin’ny famporisihana ireo tanora sasany izay tsy nahavita ny fiofanana ka ho lasa ambasadaorin'ny minisitera sy ny fitondram-panjakana ary hitondra ny feon’ny Malagasy rehetra mandritra ny fihaonambe. Ny hampitombo avo 100 heny ny tanora Malagasy hisitraka izany fihaonambe izany no tanjon'ny minisitera. Nomarihan’ny Minisitra ihany koa fa Tanora maherin'ny 5000 isaky ny faritany no ezahana hisitraka ny fiofanana ao anatin'ity tetikasa ity.

Lire la suite

Articles Similaires