Biby arovana : Ahiana ho lany tamingana ny 50%-n’ny tanalahy eto Madagasikara
Aorian’ny varika dia isan’ny biby misarika mpizahatany indrindra eto Madagasikara ny tanalahy. Mbola atao tsinontsinona anefa izy ireny, amin’ny ankapobeny, na dia efa ahiana ho lany tamingana aza ny 50%. Izany indrindra no antony ikarakaran’ny ONG Caméléon ny hetsika « Festival Caméléon » andiany voalohany.
Harena voajanahary
Madagasikara no manana karazana tanalahy be indrindra manerana izao tontolo izao. Misy 234 isa ny karazana tanalahy fantatra maneran-tany, ka ny 89 amin’ireo no tsy hita raha tsy eto Madagasikara irery ihany, araka ny fanazavan’ny Dr Andriantsimanarilafy Rodlis Raphali, mpandrindra ny fandaharanasam-pikarohana Madagasikara Voakajy. Maherin’ny 50% amin’ireo biby, izay harena voajanaharin’i Madagasikara ireo, no ahiana ho lany tamingana, noho ny tsindry mahazo azy. Isan’izany ny fahasimban’ny ala izay toeram-ponenany, ny fanondranana an-tsokosoko, ary ny famonomonoana fahatany azy, vokatry ny tsy fahafantarana sy ny finoanoam-poana.
Araka izany, hotanterahina ny 13 hatramin’ny 15 jona 2025, any Amboasary Atsimo, Faritra Anôsy, ny Festival Caméléon andiany voalohany. Ministera miisa 5 be izao no miahy azy, dia ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB), ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), ny ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Tanjon’ny hetsika ny hahatonga ny olona ho tonga saina ny amin’ny maha-manan-danja ireo tanalahy, ka mba ho sarotiny ny Malagasy, amin’ny fiarovana azy ireo.
Harena ara-kolontsaina
Tsy ny tanalahy ihany anefa no omen-danja, fa fotoana hampahafantarana ireo harena ara-boajanahary sy ara-kolontsain’ny tapany Atsimon’ny Nosy sy ny distrikan’Amboasary indrindra koa, ireo telo andro hanatanterahana ny « Festival » ireo. Isan’ny homen-danja, mandritra izany, ny farihin’Anony, izay ao atsimon’Amboasary no ahitana azy. Ahitana ny trondro antsoina hoe « angera » ao anatin’io farihy io, izay tsy fahita raha tsy any atsimon’i Madagasikara, araka ny fanazavan’ny minisitry ny MPEB, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Noho ireo olona mampiasa lay ho solon’ny harato anefa, dia tandindomin-doza ity karazan-trondro ity.
Mbola maro ireo hetsika ho hita mandritra ny Festival Caméléon, hiompana amin’ny kolontsaina Antandroy. Isan’izany ny trano heva hampirantiana ireo vokatra mampiavaka ny any Atsimo, ny « carnaval » goavana, ny famelabelaran-kevitra miompana amin’ireo tanalahy tsy manam-paharoa… Olona manodidina ny 50.000 isa no andrasana handray anjara amin’ny hetsika. Asain’ny mpikarakara sahady ireo mpizahatany vahiny sy avy eto an-toerana, ary koa ireo manam-pahaizana mpikaroka momba ny tanalahy, mba ho avy any Amboasary Atsimo, handray anjara amin’izany.