Nosy Be : Olona miisa 6 tamin’ireo 40 saika hiondrana antsokosoko ho any Mayotte tratra
Mitohy foana ny fikasana hiondrana antsokosoko mankany Mayotte, na dia efa fantatra aza ny loza mety hitranga amin’izany. Nisy fikasana vaovao rava indray tao Nosy Be ny faran’ny herinandro teo, izay olona manodidina ny efapolo no saika handeha. Olona maromaro no voasambotra tamin’izany vokatry ny fandraisana andraikitra ny mpitandro filaminana haingana.
Fampitam-baovao avy amin’ny olon-tsotra
Tsy nahomby ny fikasana hifindra monina tsy ara-dalàna any Mayotte ny faran’ny herinandro teo tany Nosy Be. Olona manodidina ny efapolo no saika handao an’i Madagasikara an-tsokosoko tamin’ny alalan’ny sambo haingam-pandeha. Olona enina, nahitana lehilahy roa sy vehivavy efatra no voasambotra teo amin’ireo olona 40 ireo. Ny asabotsy tamin’ny 4 ora maraina no nampandrenesin’ny olona iray tsara sitrapo ny mpitandro filaminana rehefa nahatsikaritra olona maromaro mampiahiahy tao Mangirakirana, ao amin’ny fokontany Mahazandry, ny tenany.
Nalefa haingana teny an-toerana ny polisy, saingy tsy nahita olona tamin’ny fotoana voalohany nahatongavan’izy ireo. Sambo haingam-pandeha iray nilaozan’izy ireo kosa no tsikaritra teo amin’ny manodidina. Manana maotera lehibe io sambo io ary nitondra solika 950 litatra nozaraina tamin’ny « bidon » maromaro.
Fisamborana sy fampiakarana fitsarana
Taorian’ny fisavana nandritra ny ora maromaro dia voasambotra ilay voalaza fa mpikarakara io fiampitana io sy ny namany. Ankoatra izay dia vehivavy efatra tamin’ireo mpifindra monina no hita sy tratra nandritra ny alina teny Ambodivonio. Fantatra ihany koa nandritra ny fanadihadiana fa eo amin’ny 2 000 000 ariary hatramin’ny 2 600 000 ariary ny saran-dalana naloha tamin’ny mpikarakara ny fiampitana.
Amin’izao fotoana izao dia mbola ny fanohintohinana ny ain’ny hafa sy ny fanondranana olona an-tsokosoko no hiampangana ireo olona tratra ireo. Araka izany dia tsy maintsy hiakatra fitsarana ireo olona tratra. Izay marihina fa tena raràn’ny lalàna eto Madagasikara ny fiondranana tsy ara-dalàna ivelan’ny Nosy. Tokony manana taratasy mazava ny amin’izany izay mikasa hifindra.