• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Cirgn
Image
Vaovao

Fanondranana an-tsokosoko : Jabihy, zava-maniry arovana, miisa 840 fototra, tratra tao Mampikony

11/02/2025 19:06 © Moov.Mg

Vao ny 2 febroary 2025 lasa teo no tra-tehaka ny sinoa roa lahy nikasa hanondrana an-tsokosoko sokatra sy jabihy (baobabs nains), dia nisy malagasy roa hafa indray tratra, nitondra jabihy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, omaly alina, tany Mampikony.

Notaterina an-tsokosoko

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny CIRGN Mahajanga, dia olona tsara sitra-po no nampilaza tamin’ny zandary, rehefa nahalala fa misy olona mitatitra an-tsokosoko, jabihy, niainga avy tany Ambalafamity Faritra Sofia, izay nokasaina ho entina hihazo an'Antananarivo. Niroso tamin’ny fanaraha-maso ireo Zandary miasa eny amin’ny lalam-pirenana, ka tratra tao Mampikony ilay fiara nitondra ireto zava-maniry arovana ireto, ny alin’ny omaly alatsinainy 10 febroary 2025. Rehefa natao ny fisavana, dia hita tao anatin'io fiara io ireo jabihy miisa 840 fototra, nafatratra tao anaty gony.

Efa voatazona vonjimaika eny amin’ny zandarimaria ny mpamily ilay fiara nitondra ny entana sy ny vehivavy iray. Eo am-pikarohana ny ati-doha nikotrika izao fanondranana an-tsokosoko izao kosa ny Zandary.

Atahorana ho lany tamingana

Tsara ny mahalala fa misy 25 karazana eo ho eo ny jabihy, ka ny 20 amin’ireo dia tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ihany. Voasokajy ao anatin'ny Tovana voalohany sy faharoa (Annexe 1 et 2) an'ny CITES avokoa ireo karazana jabihy eto amintsika ireo ary efa atahorana ho lany tamingana. Izany indrindra no antony andraran’ny lalàna ny fitrandrahana sy fanondranana azy ireny, raha tsy nahazoana fahazoan-dalàna manokana izay omen'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy.

Ny zandary avy ao amin'ny sampana mikaroka ny heloka bevava (GAPJ) Sofia no misahana ity raharaha fanondranana jabihy an-tsokosoko tratra tany amin’ny Faritra Sofia ity, miaraka amin'ny borigadin'ny zandary misahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana (BPR) ao Antsohihy.

Lire la suite

Articles Similaires