• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa : Hihamafy ny fanohanan’i Inde an’i Madagasikara momba ny fotodrafitrasan’ny lalana

11/02/2025 16:39 © Moov

Nisy fihaonana stratejika teo amin’ny Ambasadaoron’i Inde eto Madagasikara, S.E.M. Bandaru Wilsonbabu sy ny Minisitry ny asa vaventy, tamin’ity anio ity. Fotoana nifampidinihana ny amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta, indrindra eo amin’ny lafiny fotodrafitrasan’ny lalana izany.

Hisy fiaraha-miasa vaovao

Isan’ny nivoitra nandritra ny dinika izay nifanaovan’ny roa tonta ny mikasika izay mety ho fiaraha-miasa rehetra amin’ny ho avy. Hanamarika izany indrindra ny sehatry ny fotodrafitrasan’ny lalana. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Madagasikara i Inde, nandritra izany, amin’ny alalan’ny orinasa sy mpampiasa vola indiana. Nanamafy ny Minisitry ny Asa Vaventy fa misokatra ho an’ny orinasa sy mpampiasa vola indiana i Madagasikara, ary nanasongadina ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny fanohanana ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa eto amin'ny Firenena. Izay marihina fa efa maro ireo fotodrafitrasan’ny lalana notanterahin’ireo orinasa maro avy amin’io firenena io, teto.

Fampiofanana

Nanamafy ny Ambasadaoro fa vonona hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanofanana sy fampivelarana ny fahaiza-manaon’ny teknisiana sy mpiasan’ny ministera, araka izay filàna. Ankoatra ny fotodrafitrasa mantsy dia noresahina nandritra ny fitsidihana ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fanofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao. Efa maro ireo fiofanana maro natolotra ho an’ny mpiasan’ny minisitera, indrindra amin’ny sehatra teknika sy fitantanana. Ohatra amin’izany, misy mpiasan’ny Laboratoara Nasionalin’ny Asa Vaventy sy ny Taotrano (LNTPB) iray ankehitriny izay manaraka fiofanana any Inde. Nisaotra ny Ambasadaoro ihany koa ny Minisitra ny momba izany. Ny fampiofanana toy izany indrindra izay hanampy ny firenena ny amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fanorenana rehetra.
Amin’ny ankapobeny ity fihaonana ity dia maneho fiaraha-miasa maharitra sy stratejika eo amin’ny roa tonta. Mikendry, indrindra ny hanatsara ny fotodrafitrasa sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasam-panjakana Malagasy ao amin’ny sehatry ny asa vaventy.

Lire la suite

Articles Similaires