Fanabeazana ny zaza malagasy : Tokony ilofosana, hoy ny papa Fransoa
Manana adidy feno amin’ny fampanjariana ny zon’ny ankizy ny fiangonana. Isan’ny nampahatsiahivin’ny papa Fransoa tamin’ireo eveka malagasy manatanteraka iraka ankehitriny, any Rôma, izany.
Omaly alatsinainy 10 febroary 2025 no noraisin’ny papa Fransoà ireo solontenan’ny eveka mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara (FEM) ahitana an’i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, evekan’i Morondava, filohan’ny FEM ; Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, evekan'Antsirabe, filoha lefitry ny FEM ; Mgr Jean Claude Rakotoarisoa, evekan'i Miarinarivo, sekretera jeneralin’ny FEM ; ary ny mômpera Séraphin Rafanomezantsoa, sekretera mpandrindra ny FEM.
Hanamafy ny ezaka
Isan’ny teboka manan-danja nifampiresahan’ny papa tamin’izy ireo ny momba ny zon’ny ankizy malagasy, araka ny fampitam-baovaon’i mompera Séraphin Rafanomezantsoa. Tsy maintsy hilofosan’ny Eglizy aty Madagasikara ny fampianarana sy ny fanabeazana ny ankizy, hoy ny papa Ray Masina. Tokony ifotorana ihany koa ny amin’ny hananan’ny ankizy kopia nahaterahana satria maro no tsy manana izany. Nomarihin’ny papa, araka ny fampitam-baovao hatrany, fa lalana mitondra amin’ny fampandrosoana tena izy sy maharitra, ny fanatanterahana izany. Nanamarika moa ny Fivondronamben’ny Eveka, fa tsy vao izao ny Eglizy eto Madagasikara no hanao izany, fa hohamafisina kosa ny ezaka efa natao momba ny fanabeazana ny ankizy.
Isan’ny nifampiresahan’ireo solontenan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara tamin’ny papa Fransoa, ankoatra izay, ny momba ny fananganana ho Olomasina ireo olo-malazan’ny finoana katôlika, toa an’i Lucien Botovasoa. Ho tohin’izany dia hihaona amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny sampan-draharaha manokana ao Vatikana, momba ny fananganana ho Olomasina, ireo eveka malagasy, rahampitso alarobia 12 febroary.



